Ho tontosaina ny alahady 10 may 2026 izao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fivoriambe isan-kerintaonan’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano na SPIA 19 eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM. Araka ny fampitàm-baovaon’izy ireo omaly dia hisy ao anatin’izany hetsika samihafa toy ny asa sy fampaherezana, izay ho tanterahin’ny Sampana fifohazana na SAFIF eo anivon’ity synodam-paritany ity. Hisy koa ny soradihy ho ataon’ireo mpianatra sy mpanabe eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana Iarivo Avaradrano na FPMP 19. Miisa 21 ireo sekoly ireo. Ho tanterahina mandritr’io fotoana io, araka izany, ny fanompoam-pivavahana fanao isan-kerintaona izay iarahana midera sy mankalaza an’Andriamanitra, manavao fanoloran-tena, manao fanatitra eo anatrehan’Andriamanitra, mihaino sy mandray ireo raharaham-piangonana tsara ho fantatra ary ny fiombonana amin’ny fanasàn’ny Tompo. Hanao fitafiana fotsy avokoa ireo hanatrika izany, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija