airtel

Finoana

08-oct-2025

Nijoro ireo Mpitandrina FJKM

« Miombona amin’ny fitakiam-bahoaka, atsaharo ny fandatsahan-dra,… ! »

Sample post image

Mpitandrina FJKM maro izay tratra antso no

08-oct-2025

niara-niombom-bavaka ho an’ny Firenena sy nandinika ny toe-draharaha misy omaly, teny amin’ny FJKM Ifaliarivo Ambanidia. Nanao fanambarana sy antso avo ampahibemaso ireo Mpitandrina FJKM, miara-miombon-kevitra amin'ny FFKM sy ny Foibe FJKM. Ao anatin'ny vanim-potoana sarotra sy feno kihondalana izay hanoritra ny tantaran'i Madagasikara sy ny hoaviny isika izao ka min'ny maha-mpaminany sy mpitily azy ireo, dia naneho am-pahatsorana sy am-pahendrena ny adidy masina tsy maintsy tanterahina: miteny, mananatra, ary mandray andraikitra amin'ny anaran'i Kristy. Teboka maro no nasongadin’izy ireo. Miombom-po amin'ireo fianakaviana namy havana noho ny herisetra, na lehibe, tanora, na zaza. Mivavaka ho amin'ny fahasitranana sy fiononana ho an'ireo naratra sy rava fananana. Hentitra izy ireo naneho, fa mangataka fanadihadiana marina sy tsy mitanila manoloana ny fampiasan-kery tafahoatra sy tsy ara-drariny. Manameloka ny baiko nomena ny mpitandro filaminana hampiasa hery amin'ny vahoaka maneho hevitra. Manamafy fa tsy tokony ho fitaovana famonoana ny polisy, zandary, na miaramila, fa mpiaro ny filaminana. « Tsy ny hamono na handratra ny vahoaka maneho hevitra no anton'asan'ny zandary sy polisy ary ny miaramila, fa ny hitandro ny filaminana. Raha misy izany ny savorovoro sy ny korontana mbamin'ny fifanjevoana, dia nivaona ho amin'ny andraikitra hafa noho ny fitandroana ny filaminana ny zavatra ampiasan'izy ireo ny hery sy ny fitaovana eo ampelatanany. Sarobidy sy manan-jina ny rà latsaka ka tsy ho afa-bela sy tsy ho afa-maina amin'izany ny iraka sy ny mpaniraka. », hoy ireo Mpitandrina FJKM.
RARINY NY FITAKIAM-BAHOAKA, TSY MAMAHA OLANA NY FIHETSIKY NY FILOHA
Naneho fa mandre ny hetahetam-bahoaka ka iombonany amin’ny tanora, sendika, ireo tantsaha totorana tany, ireo vondrona politika avy amin'ny ankolafin-kery samihafa, ny vahoaka rehetra ny amin'ny zo fototra tokony hositrahana. Ara-politika, nahitsy ireo Mpitandrina nilaza fa tsy vahaolana velively ny mbola fandehanan'ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny mpomba azy mitady vahaolana samy irery, toy izao fanendrena Praiminisitra vaovao sy fikasana hanangana Governemanta vaovao izao. Miantso ny hametrahana amin'ny toerana maha Raiamandreny azy ny FFKM tsy salovanin'iza izy ireo mba ho fihainoana ny hetahetam-bahoaka sy ny ankolafin-kery samihafa eto amin'ny firenena. « Atsaharo ny herisetra sy ny fifamonoana, fandatsahan-dra eo amin'ny samy Malagasy. », hoy ireo mpitandrina. Takian’izy ireo ihany koa ny hamoahana ireo tanora rehetra mitaky ny zony ara-drariny voasambotra nandritra izao hetsi-bahoaka izao ; ny hanokafana ny fanadihadiana mahaleo tena sy tsy mitanila ara-pitsaràna haingana ireo izay mpanome baiko sy ny mpanefa iraka tamin'ny fandratràna sy fandatsahan'aina teto amin'ny firenena nandritra izao hetsi-bahoaka izao. « Ataovy ny fanadihadiana sy ny fitsarana ny mpanao ratsy. Aoka koa mba hisy fijerena ny fanonerana tandrify ny fahavoazana nanjo ny tompom-pananana. », hoy ireo Mpitandrina FJKM. Miantso ny Kristiana rehetra izy ireo indrindra ireo manana andraikitra eto amin'ny firenena, hiala amin'ny kolikoly lainga, ny hendrikendrika, ny fitenenan-dratsy sy izay zava-tsy mendrika rehetra, ka nanamafy fa « ny fahamarinana no manandratra ny Firenena ». Miantso ihany koa ny malagasy kristiana rehetra eto an-tanindrazana sy maneran-tany hibebaka, sy hifona ary hivavaka tsy mitsahatra ho an'ny Firenentsika, ary hahatsiaro fa ny lova tsara indrindra ho an'ny taranaka dia Firenena milamina sy mandroso ary feno fahamatorana sy fahendrena noho izany ireo Mpitandrina FJKM.
Toky R
 

Dans la même rubrique