airtel

Politique

11-mars-2024

08 MARTSA- ANTOKO AREMA

Namboly hazo teny Bongatsara

Sample post image

Ho fankalazana ny datin’ny 08 Martsa izay nomarihina tamin’ny Zoma

11-mars-2024

lasa teo dia nanatanteraka fambolen-kazo teny Bongatsara Atsimondrano ireo mpikatroka manerana ny renivohitra. Nilaza ny sekretera nasionalin’ny antoko Arema Ramatoa Annick Ratsiraka fa isan’ireo toerana manatantara ho an’ny anoko ihany koa ity tany nambolena hazo tao Bongasara ity fony mbola nitondra ny firenena ny Amiraly Ratsiraka. Io toerana io mantsy no natokan’ny fanjakana honenan’ireo olona sahirana tsy manan-kialofana tamin’izany. 2 ha mahery ny velaran’ny tany ary karazan-kazo maro no novolena teny ka olona manodidina ny 2000 isa no niara-nientana tamin’ny fambolena. Rehefa vita ny asa dia niara-nisakafo sy nandihy ireo mpikatroka Arema. Tsy ny vehivavy ihany no tonga nanao ny adidiny tamin’io fotoana io fa nanotrona ihany koa ireo mpikatroka lehilahy marobe. Maro an’isa ny vehivavy eto Madagasikara hoy ny SN Arema ary manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiaraha-monina misy azy izy ireny. Naneho hevitra mahakasika ny tranga fanolanana izay toa miha mahazo vahana ihany koa ity mpitarika ny Arema ity ka nolazainy fa ny fampiharana ny lalana no tokony hamafisina izay tsy hijerena tavan’olona fa rehefa tratra manao ny tsy mety dia tokony ho faizina manaraka izany.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny fambolen-kazo tety !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap