airtel

Politique

10-janv-2024

Ady sisika ho ao anaty governemanta

Mifamingana anatiny ny tandapa...

Sample post image

Mafampana ny toe-draharaha anatin’ny fitondrana amin’izao ankatoky ny fananganana

10-janv-2024

governemanta izao. Amin’ity herinandro ity no tombanana hitsanganan’ny governemanta vaovao hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ady sisika be ny toerana indrindra ho an’ireo efa teo hoe : iza no ho voatazona ary iza no mety tsy ho tafiditra ao anaty sambo ka mety hampakana sisiny na halefa amina toerana sy andraikitra hafa ? Mifanipy hoditr'akondro satria samy te ho tsara eo anatrehan'i Andry Rajoelina. Misy mifampiandry kendritohana sy mifampitsiriritra toerana ka manapoaka afera goavana na mivoy an’ireny mafy, toy ny resaka ady tany mahasarongotra Tale ambony tao amin’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny afera vary lo namelezana Tompon’andraikitra teo anivon’ny Minisiteran’ny indostria sy ny varotra sy ny Prefe izay eo ambany fiahiahian’ny Minisiteran’ny Atitany. Tahaka izany ihany koa ny resaka angovo sy herinaratra izay amin’izao mialohan’ny Fitsanganan’ny governemanta izao mihitsy no miha zava-doza ny fahatapahana miantraika amin’ny vahoaka sy ny mety fifanenjanana eo amin’ny Fanjakana sy ny orinasan-tsolika,… Iza no mahazo tombotsoa an’izany ? Tsy ny mpanohitra izay efa milaza tsy hiditra anaty governemanta fa ny samy tandapa ihany. Ny avy ao anatiny ihany no tena mifamely ary avy ao ihany no mamoaka fa misy ady sisika ny fiadian-toerana satria misy te haka sy hahazo toerana stratejika kokoa ka manao izay handakana izay mety hanakantsakana amin’izany, na farafaharatsiny tafaverina ao anaty governemanta. Mandeha ihany koa ny karazana pi-maso ara-politika samihafa sy ny fihetsiketsehana mba ho voatazona amin’ny toerana.

HISY PRAIMINISITRA LEFITRA TELO ?
Efa mazava iny ny toeran’ny Praiminisitra izay efa nisy nahazo, fa raha ny tombatombana dia mety hisy Praiminisitra lefitra 3 eny an-tampon’ireo andry telo lehibe nambaran’i Andry Rajoelina fa laharam-pahamehana amin’izao fotoam-piasany izao, dia ny sosialim-bahoaka sy ady amin’ny fahantrana, ny famokarana sy ny fampiroboroboana ny indostria, ary ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ka mba misy manao adisisika mafy rehefa tsy lasa Praiminisitra. Vokany mandeha ny fifamelezana ankolaka, ary voalaza fa misy mivoy mafy an’ireny raharaha nafana tato ho ato ireny mba hanadinoana sy hamafana ireo afera samihafa na « scandales» nataony, izay nanaratsy endrika ny Fitondrana Rajoelina. Nirefotra ny ady tany izay misy mahakasika olon’ny Minisitera iray, ka ny ao anaty fitondrana no tena manapoaka sy mandrefotra sy mivoy mafy hamelezana ilay Minisitera mba tsy ho tavela eo intsony ilay lohany, izay niezaka mafy nanala tena fa tsy misy hidirany. Nirefotra ny resaka vary lo, dia misy ny nilentika, fa misy ihany koa departemantam-panjakana toa minia mangina tahaka ny eo anivon’ny ladoany izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny vola, izay toa mety ho endrika fisiana fifamelezana eo amin’ny Minisitera roa. Ny feo mivoaka avy any andaniny milaza fa mbola tsy tonga eny amin’ny « circuit de distribution » fa mbola any anaty « entrepôt» no tratra ka mbola andraikitry. Nahoana no tsy andrenesam-peo ny Sampan-draharahan’ny ladoany izay eo ambany fiahiahian’ny Minisiteran’ny vola? Nipoaka ihany koa iny ny karazana fanehoan-kevitra mahery vaika na famakiana ady tamin’ny Minisitry ny fitsarana izay nambaran’ny Filohan’ny Sendikan’ny administratera sivily fa manao lafika amin’ny fanagadrana olona tamin’ny resaka vary lo mba hahazoana vokatra hitazonana ny seza izay mbola tsy nisy moa ny setriny,… Heverina fa tsy tongatonga ho azy ny fipoahan’ireny afera samihafa ireny amin’izao ankatoky ny fananganana governemanta, fa tena misy ny endrika fifamelezan’ny samy tandapa !
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap