airtel

Politique

04-nov-2026

Alain Mahavimbina

«Firenena manana politika

Sample post image

mazava no miroborobo ara-toekarena»

04-nov-2026

tsapan’ny rehetra fa tokony mbola hanana fandaminana kokoa i Madagasikara, hoy ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny fanavaozana sady mpahay lalàna, Alain Mahavimbina. Anaty vanim-potoanan’ny tetezamita isika izao, hoy izy, ka tsy mahagaga izany. Adihevitra be foana ny hoe tetezamita sa fisoloana toerana tsinona izy ity. Azo lazaina hoe tetezamita ihany nefa satria ny tsy fitohizana rafitra ara-dalàna iray no atao hoe tetezamita. Ny fifidianana no ahafahana miverina amin’ny rafitra ara-dalàna. Ny fanovàna governemanta niteraka resabe tato ho ato kosa dia fandaminana hafa, izany hoe, fandaminana anatin’ny governemanta. Na io manova governemanta, miova hatramin’ny praiminisitra, na hanao «retouche gouvernementale», io ilay hoe «remaniement», izany hoe departemantana minisitera vitsivitsy no mety hisy fiovàna. Te hahita rafitra azo tsapain-tanana mazava ny vahoaka malagasy satria efa herintaona izay. Rafitra iray tetezamita io iverenana amin’ny rafitra ara-dalàna. Fifidianana no hametrahana an’izay, amin’ny maha fanjakàna repoblikanina antsika. Olom-boafidy no apetraka anatin’izany. Sarotra ny miandrandra fahombiazana amin’ny fitondràm-panjakàna raha tsy manaraka ny fepetra ankanesana any amin’ny ara-dalàna. «Gouvernance légitime et légale» na fitondràna sady eken’ny maro an’isa no ara-dalàna no tena sarotra vao tsy izay. Tsy feno io amintsika miteny izao ka tsy maintsy miezaka ny fitondràm-panjakàna hahatongavana amin’izany. Mizara roa ny atao hoe «cadre légal» na rafitra ara-dalàna. Anaty vanim-potoana tetezamita dia tokony hisy rijateny na «texte» manoritsoritra izay ataontsika hoe lalàmpanorenana hitondràna ny tany sy ny firenena. Rehefa korontanin’ny fihetseham-bahoaka tsinona ny rafitra politika iray dia tsy maintsy voakitika ny fahafahan’ny lalàmpanorenana miasa araka ny tokony ho izy. Efa ivelan’ny lalàmpanorenana na «règle constitutionnelle» isika izao satria tsy olom-boafidy no mitarika ny firenena. Na isika hanao fifanarahana politika, izany hoe, «accord politique», izay famahàna olana amin’ny alalan’ny fifampiresahan’ny mpanao politika. Izay ihany koa no hahafahana mitondra ny sary na «schéma» hisian’ny vahaolana ara-toekarena. Ny firenena manana politika mazava no miroborobo ara-toekarena. Tsy vao izao isika no nandalo tetezamita ka mba mila maka lesona amin’izay. Ny tena olana dia ilay vanim-potoanan’ny tetezamita natao hijerena vahaolana sy lalan-kombàna tsy ataontsika foana. Io nefa no tokony hijerena ny tsy nety tamin’ny fitondràna rehetra nisy hatramin’izay hanesorana ny tsy fahombiazana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-nov-2026

Ho lasa hirika ahafahana mikitika governemanta ?

Card image cap
04-nov-2026

Paositra sy ny fifandraisan-davitra

Card image cap
04-nov-2026

amin’ny herinandro ambony

Card image cap
03-nov-2026

Anatin’ny iray volana dia hisy vokatra ngezabe !

Card image cap
03-nov-2026

Maro ireo teboka miabo sy nahitana fiovana, hoy ny PSD

Card image cap
03-nov-2026

ve ny vokatry ny « IZAHO TOKANA » ?

Card image cap