Nivory niaraka tamin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika (PRRM) ireo mpandrindra ny Fikaonandoham-pirenena eo ao anatin’ny FFKM tarihin’Atoa Ahmad Joseph omaly. Fotoana nentin’ny Filoha nanadihadihady ny hoe : aiza ho aiza, inona no vita, inona ahafahana mandroso,… «Azo atao hoe feno ny fanazavana ary nanome toky ny Filoha fa hitondra ny olana izay mety nitranga taty aminay, efa niomana ny hiresaka amin’izany amin’ny governemanta, ary izahay ihany koa dia manome toky fa tsy maintsy vitantsika Malagasy io fikaonadoham-pirenena io, ary tsy misy sakana tokony hoe tsy azo vahana », hoy Atoa Ahmad Joseph Mpandrindra. Nambarany fa betsaka ny zavatra efa vita daholo ny fiomanana rehetra : fanomanana ny mpampiofana, fanomanana ny olona hikarakara ny dinika any amin’ny fokontany,… Efa mipetraka ny drafitra rehetra fa miandry ny fandrindrana izay hoentin’ny PRRM any amin’ny governemanta. Izay no isan’ny vahaolana iray satria midadasika i Madagasikara. Tena hanontany ny hevitry ny vahoaka, ary voalohany amin’ny tantaran’ny Firenena ny hoe : « teny hiteny ny vahoaka », raha ny fanazavan’ny FFKM hatrany. Tsy maintsy homanina tsara araka izany ny fandehanana any amin’ny fokontany tsirairay izay mahatratra 19400. Betsaka ny olona hihaona sy hanangona ny hevitry ny vahoaka, hevitra tsy hovana, ary hoentina miakatra mba hahafahana mametraka ny lalàna fototra, ahafahana mijery ny hoe : ahoana no tsy hitrangan’ny krizy afaka 9 na 10 taona intsony any aoriana, raha ny fanazavan’Atoa Ahmad Joseph hatrany. Navoitrany araka izany fa tsy azo atao anatin’ny ankamehana fotsiny, fa tsy maintsy tena natao milamina, ka efa mipetrapetraka daholo ny paikady rehetra amin’izao fotoana izao. Maro ny zavatra voavaha tao anatin’ny fihaonana tamin’ny Filoha, vonona ny FFKM, vonona ny Fanjakana,… «Efa tena akaiky ny dingana, ao anatin’ny iray volana dia hisy vokatra ngezabe satria efa vita ny fanomanana eto Antananarivo, efa mandeha midina any amin’ny distrika izahay, ary efa midina any amin’ny vahoaka mihitsy ao anatin’ity volana novambra sy desambra ity », hoy Atoa Ahmad Joseph naneho fa ezahana ny antsasaky ny distrika rehetra no ezahana hohenjehina alohan’ny faran’ny taona.
Toky R