ny laharam-pahamehantsika!"
Matoa isika mitodika atsy sy aroa dia tsy manana vina mazava hitondràna ny firenena ny mpitondra, hoy ny mpikatroka MFM, Pierre Michel Ralaivelo. Lasa ny tranga androany, hoy izy, no miteraka resabe ohatrany hoe hamaritra ny hoavy rahampitso. Raha manana vina nefa isika dia manampy amin'ny fanatanterahana fotsiny ireny. Averina ihany fa isika no tokony hamaritra ny laharam-pahamehantsika sy ny fampandrosoana heverintsika hoe mety amintsika! Miankina amin'izay avy eo no hamaritana hoe ireto avy izany no firenena sy sehatra iraisampirenena tokony hifandraisana. Raha hieritreritra hametraka demokrasia sy tany tan-dalàna ve isika, ohatra, dia tokony hitodika any Rosia. Ny malagasy manontolo no tokony hiara-hanapaka izany fa tsy ny mpitondra irery. Izany no ilàna fikaonandoham-pirenena, izay raha mbola tsy hita ihany hoe ahoana hatramin'ny desambra dia very herintaona izany isika. Ny harem-pirenena nefa mivoaka ihany. Ny mpanararao-pahefàna manararaotra ihany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija