airtel

Politique

30-oct-2026

Bien Aimé

Randrianantenaina

Sample post image

Miara-miasa amin’ny

30-oct-2026

vazan-tany rehetra isika izao»
Ny arofenitra an-dry zareo mpikarakara an’io fihaonana an-tampon’i Rosia sy Afrika io no tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy matoa tsy tomombana ny fakàna sary ireo nasaina tany, toy ny filohan’ny fanavaozana malagasy mivady, hoy ny mpandinika fifandraisana iraisampirenena, Bien Aimé Randrianantenaina. Tsy tokony isika aty indray, hoy izy, no izany no hanisy adihevitra be mikasika izany. Mitodika any Rosia moa izao ny maso satria anatin’izay fihaonana an-tampony na «Sommet Russie – Afrique» izay isika. Nisy ilay «Sommet France – Afrique» na fihaonana an-tampony teo amin’i Frantsa sy Afrika tamin’ny volana may. «Africa forward» moa iny, tany Kenya. Nanao safidy hiara-hiasa amin’ny rehetra isika no dikan’izay na ilay hoe «tout azimut». Mitodi-doha amin’ny vazan-tany miisa 4 ny diplaomasia malagasy. Nandeha foana isika tamin’ireo fihaonana an-tampony ireo. Samy hitantsika izany izao fa samy hananana tombontsoa na ny fiaraha-miasa amin’ny tandrefana na amin’ny tantsinanana. Samy iarahantsika miasa ireo sy ny ankoatran’ireo. Izay no safidintsika. Mety ho maro ny dikan’ny filazàna nefa hoe mihatra aman’aina mihitsy ny fiaraha-miasa amin’ny rosianina satria misy ady, ohatra, izao eo amin’i Rosia sy Okrainina dia nisy ny fandrahonana nataon’i Okrainina amin’ny habakabak’i Rosia hoe handefa voangory vy na «drone». Misy seranam-piaramanidina aza voatafika sy toy izany ka mety ho izany no dikan’ilay hoe mihantra aman’aina. Lafiny iray faharoa ny hoe lasa mifaninana izao ny firenen-dehibe nefa iarahantsika miasa daholo. Misy lafiny mety tsy fantatry ny sarambabem-bahoaka ao fa ny fitondràm-panjakàna miaina azy no mahafantatra azy. Miara-miasa amin’ny vazan-tany rehetra isika izao. Be dia be ny tombony amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Rosia. Eo, ohatra, ny resaka fambolena, ny fizahantany, ny resaka fiarovana. Efa manomboka manao fizahantany aty amin’ny ranomasimbe indianina izao ry zareo rosianina. Isany i Seychelle sy Maorisy. Maorisy moa efa nandefa iraka manokana hanao fanentanana na «promotion» mikasika an’i Maorisy any Rosia. Nandefa izany tany Moscou sy Saint Petersburg izy. Mitombo ny mpizahantany rosianina amin’ireo nosy miisa 2 ireo. Egypte no tena mahazo tombony be satria tamin’iny 2025 iny dia 2.000.000 tany no isan’ny mpizahantaniny avy any Rosia. Manondrana vokatry ny tany na «produit agricole» aty Afrika koa i Rosia. Ny resaka angovo amin’ny fitaovam-piadiana na «nucléaire civile», ohatra, dia isan’ny manavanana ny rosianina koa. Misy fiaraha-miasa, ohatra, omanina miaraka amin’i Egypta sy Rwanda. Misy ny fametrahana «zone industrielle» na toerana iroboroboan’ny indostria any Egypta any. Tahatahak’izay izany no tombony amin’ny fiarahana amin’i Rosia ka misy ny azo iarahana amin’izy ireo. Misy ny azo iarahana amin’i Frantsa na Etazonia sy firenen-kafa maro. Efa elabe isika tsy nanendry ambasadaoro tany Rosia dia tamin’ity taona ity isika nanendry an’andriamatoa Ny Hasina Andriamanjato. Manana ambasadaoro any izany isika. Ny mampametra-panontaniana koa nefa dia hoe maninona no mpisahan-draharaha na «chargé d’affaire» no apetrak’i Rosia eto Madagasikara fa tsy ambasadaoro? Sehatra avo kokoa no ifandraisan’ny firenena roa tonta raha ambasadaoro tsinona no tendreny. Ny ambasadaoro manatitra «lettre de créance» na taratasy fanirahana amin’ny fitondràm-panjakàna mihitsy. Avo lenta kokoa izay. Mety noho ilay fifandraisan’ny firenena roa tonta izay miha mafana angamba no anton’ilay hoe mpisahan-draharaha no alefany eto. Miasa ihany rahateo koa ilay mpisahan-draharaha izay nisy fotoana nihaona tamin’ny mpitondra fanjakàna sy manome fanomezana sy toy izany. Tsy nampihen-danja ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, araka izany, ilay izy saingy na izany aza manome lanja kokoa foana ny fisiana ambasadaoro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-oct-2026

raha manao tandrametaka eo isika»

Card image cap
29-oct-2026

Maro ny fanakorontanana,

Card image cap
29-oct-2026

faran’izay haingana ny fikaonandoham-pirenena!»

Card image cap