airtel

Politique

02-nov-2026

FIKAMBANANA

BANDEAU ROUGE

Sample post image

Nitarina any amin’ny Faritra SAVA

02-nov-2026

Nitarina any amin’ny Faritra SAVA ny Fikambanana Bandeau Rouge, taorian’ny tao amin’ny Faritra DIANA. Tany amin’ny distrikan’i Sambava sy Antalaha no nananganana izany tamim-pomba ofisialy afak’omaly Sabotsy 31 Oktobra. Nandritra izany no nanentanan’ny filoha mpanorina ny fikambanana, Frérot Ralaivahiny ireo mpikambana manerana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy rehetra mba hisoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Mbola tsy tara mihitsy izany hoy izy, indrindra fa ho an’ireo vao feno taona.Tanjon’ny fikambanana Bandeau Rouge ny hisian’ny fifidianana mangaraharaha sy eken’ny rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny hampivondronana ireo mpanohana ny fitondrana Fanavaozana manerana an’i Madagasikara tarihin’ny Kolonely Michaël Randrianirina. Nohamafisin’i Frérot Ralaivahiny moa fa mbola mijoro amin’ny fanohanana ny fanavaozana sy ny fitiavan-tanindrazana ny Bandeau Rouge ary vonona hitondra ny anjara borikiny ho fampandrosoana ny Firenena.
Pati
Legende : Nandritra ny fananganana ny fikambanana tao amin’ny distrikan’Antalaha !
 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

Isika no tokony hamaritra

Card image cap
30-oct-2026

raha manao tandrametaka eo isika»

Card image cap
30-oct-2026

Miara-miasa amin’ny

Card image cap