airtel

Politique

03-nov-2026

FENO HERINTAONA

NY FANAVAOZANA

Sample post image

Maro ireo teboka miabo sy nahitana fiovana, hoy ny PSD

03-nov-2026

Maro ireo teboka miabo sy nahitàna fiovana teto amin'ny tany sy ny Firenena araka ny fahitan'ny antoko PSD azy nandritra izay 12 volana nitantanan’ny Fanavaozana ny tany sy ny firenena izay. Amin'ny lafiny teknika dia nahavita be noho ny fitondrana teo aloha ny Fanavaozana tao anatin'izay herintaona izay, raha tsy hiteny afa- tsy ny fikarohana vahaolana momba ny delestazy ohatra isika. Tsy mbola mivaha tanteraka izany hoy Ramatoa Eliane Bezaza saingy efa mba azo iainana kosa mihoatra ny niainana tamin'ny mpitondra teo aloha. Iaraha-mahita ihany koa hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Antoko PSD , Ramatoa Eliane Bezaza ny fisian'ny fahalalahana miteny ankehitriny. Tsy toy ny taloha hoe : raha vao niteny kely ny tsy mety nataon'ny mpitondra dia "gagazo" avy hatrany. Tsapan'ny rehetra ankoatra izany rehetra izany, ny fanamboarana ireo làlam-pirenena simba teo aloha toy ny RN4 , RN2 , RN7 ; sy ny fifehezana ny vidim-piainana amin'ny ankapobeny ary ny maro hafa tsy voatanisa. Fa ny tena andrasana amin'ny Mpitondra Fanavaozana hoy izy dia ny hitondra ny Firenena any amin'ny Repoblika faha-5 izay tena antom-pijoroan'izao Fitondrana izao.
Pati
Legende : Ramatoa Eliane Bezaza, sekretera jeneralin’ny antoko PSD !
 

Dans la même rubrique

03-nov-2026

Anatin’ny iray volana dia hisy vokatra ngezabe !

Card image cap
03-nov-2026

ve ny vokatry ny « IZAHO TOKANA » ?

Card image cap
03-nov-2026

Hanaratsy endrika

Card image cap
02-nov-2026

Isika no tokony hamaritra

Card image cap
02-nov-2026

Nitarina any amin’ny Faritra SAVA

Card image cap