airtel

Politique

15-avril-2024

Alain Ratsimbazafy

«Ny vahoakan’Atsimondrano no mahalala izay mendrika! »

Sample post image

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

15-avril-2024

an’Atoa Alain Ratsimbazafy ho kandida solombavambahoaka indray ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Solontenam-bahoaka sy herivelona samihafa an’arivony no nanome voninahitra ny fotoana. «Sarotra ny naka fanapahan-kevitra. Ho ahy manokana dia ny vahoaka Malagasy, ny vahoakan’Atsimondrano, ireo no andry iankinako manoloana ny fitokisana izay napetrak’izy ireo tamiko. Maro taminaraeo no nangataka, niantso, nifampidinika, ka raha fehezina dia nangataka ny tenako mbola hirotsaka», hoy i Alain Ratsimbazafy. Nilaza ny tenany fa fantatry ny vahoaka ny làlana politika nodiaviany, ary tsy mba mpivadibadika izy tao anatin’ny 20 taona, fa rehefa mahita fa mikatso ny firenena, rehefa mahita fa misy ny tsy rariny dia mijoro. « Tsy avelantsika hopotehin’ny olona tahaka izao ny tanindrazana, tsy havela hosetrasetraina, ka i Alain Ratsimbazafy dia hijoro sy vonona hitondra ny tenin’ny vahoaka », hoy hatrany izy. Tsy nametraka ho sakana ireo toe-javatra maromaro nifamahofaho, fa amiko, dia ny vahoaka no andriamanjaka, hoy hatrany izy. Nanipika ity kandida ity fa na voalazan’ny lalàna aza fa mandany lalàna, manara-maso ny governemanta, mitondra ny feon’ny vahoaka eo anivon’ny mpanatanteraka no anjara asan’ny depiote, dia tsy nahasakana azy nanao sy mbola hanao asa sosialy maro. Siansa ny politika, ka miankina amin’ny zava-misy no handraisana fanapahan-kevitra. Ny mpifanandrina omaly, fa miara-dia androany. Momba ny hoe tsy maha kandida TIM azy, nilaza ny tenany fa tsy mahatsiaro ho voailika, fa ny vahoaka no nanolotra azy dia raisiny am-pifaliana. Nanipika ihany koa fa niomana foana tamin’ny firotsahan-kofidiana, fa niandry kosa hoe: hisy antoko hanolotra sa ny mahaleo tena no nirotsahana. Tsy nanana olana tamin’ny firotsahana satria ny vahoaka no nifanome tànana nahafana niomana na ara-bola na ara-taratasy. Eo anatrehan’ny fisian’ny fanambaran’ny Antoko TIM fa tsy misy afaka manohana afatsy ny kandidan’ny Firaisankiana, dia tsotra ny namalian’Atoa Alain Ratsimbazafy azy, fa vahoaka ireo ka mahalala ny hoe: iza no mendrika hotohanana sy ho solombavambahoakan’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ka manana ny safidiny ny olona, izay ilay demokrasia. Nilaza ho tsy manana olana na amin’ny mpanohitra, na ny anaty fitondrana,… noho izany tenany, ary misokatra amin’ny rehetra. Marihina fa nanotrona azy ireo depiote am-perinasa roa sady kandida ihany koa dia i Gerry Randriambolaina sy Emilien Ramboasalama.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Tontosa ny zoma 26 aprily 2024 ny fotoam-pivavahana fitsofan-drano ny kandida solombavambahoaka,

Card image cap
29-avril-2024

Ny talata 7 mey ho avy izao no hanomboka ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena

Card image cap
29-avril-2024

Betsaka ireo maharary ny vahoaka ilana fanovana eto amintsika raha araka ny fanazavan’ny kandida ho depiote

Card image cap
26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap