airtel

Politique

27-janv-2025

ALATSINAINY MAINTY, 16 TAONA ATY AORIANA

Mitohy amin'ny endriny hafa ny famotehana sy ny jadona

Sample post image

Andro maloka teo amin'ny tantaran'i Madagasikara sy ivon’ny famotehana ny Firenena ny 26 janoary 2009, 16 taona katroka omaly.

27-janv-2025

Fotoana iray namotehin'ny mpanongam-panjakana an'Antananarivo renivohitra, nahalatsahana ain'olona maro, ary nanombohan'ny krizy teto Madagasikara izay mbola mitoetra ankehitriny. Fanavotam-pirenena sy revolisionina no nodradradraina, fa faharavana ara-pananana, ara-toekerana, ara-toetsaina no nolovaina. Setroka, rahona mainty, afo, fahapotehina no nanamarika io fotoana io izay nantsoin'ny olona hoe "Lundi Noir" na Alatsinainy Mainty.

FAHARAVANA TSY ROA AMAN-TANY
Notapahan’i Andry Rajoelina ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany ho ”kianjan’ny demokrasia”, azon’ny rehetra hanehoan-kevitra tsy mila fanaovana fangatahana alalana amin’ny Cua sy "Préfet de Police" ny Kianjan’Ambohijatovo. Ny Sabotsy 17 janoary 2009 no natao ny fitokanana ny kianja izay notarihin' ny ben'ny tanana. Niverina tao, saingy niova fa tsy hijanona eny Ambohijatovo intsony , fa hidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey amin’izay. Ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia nifamotoana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo mpanao fihetsiketsehana , nambara teny fa hanao diabe ho eny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy, hamoaka ireo mpianatra voalaza fa voasambotra, kinanjo noho ny tonga teny Anosy efa votsotra ireo mpianatra. Niova hevitra indray anefa ireo andian’olona tonga teny, ka nanapa-kevitra handoro sy handroba ny haino aman-jery Malagasy TVM sy onja-peo Malagasy RNM ka potikin'ny afo tamin'izany ny tantara, taratatasy sy fitaovana tao an-toerana. Tsy nihonona tamin'izay ireto farany fa nadromba sy nandoro ny Radio sy Televiziona MBS teny Anosipatrana. Nitohy teny amin’ny Tiko sy Magro Tanjombato sy Ankorondrano ary Behoririka, CITIC, SUPREM CENTER, JUMBO SCORE, ZOOM,... Tonga hatrany Tanjombato! Ny nahagaga ny mpanara-baovao tamin’ny fotoan’andro aloha dia tsy nisy voakitika ireo orinasa frantsay sy an’ireo sokajian’olona antsoin’ny malagasy mahazatra hoe «karàna».
MITOHY MANDRAK’ANKEHITRINY NY FAMOTEHANA SY NY JADONA
Aman-jatony ireo namoy ny ainy satria maro ireo mbola variana naka entana anefa ny mpandoro dia nandoro foana ihany. Malagasy maherin'ny 5 hetsy no very asa ary mpianatra maherin'ny 7 hetsy no niala an-daharana raha ny tatitra avy amin'ny UNICEF ny taona 2012,...Namela takaitra ratsy ara-toekarena, niteraka fahaverezana asa maro, nahapotika ny ny tsy fahatokisan'ireo mpampiasa vola ka nampitotongana ny antsoina hoe : « climat des affaires », nandrava ny fitokisan’ireo mpamatsy vola ny tranga fikorontanana toy ny tamin'ny taona 2009 ireny,... Nisy tondrozotra na « feuille de route » ka ankoatra ny resa-politika dia nofaritana fa honerana ireo lasibatra indrindra ireo mpandraharaha tsotra, nangina ny fanadihadiana, 16 taona aty aoriana. Hatreto dia mbola miseho amin'ny endriny hafa ny ramatahora apetraky ny lohan’ny 2009 izay eo amin'ny fitantanana ankehitriny. Tsy misy ny fahalalana maneho hevitra izay nodradradradraina tany aloha, mitombo ny fampihorohoroana ara-politika, fisamborana, fanagadrana,…

Lalaina Rav/ J. Mirija


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap