airtel

Politique

24-avril-2024

Andraikitra maha solombavambahoaka

«Tokony hampandraiketina olona tsy nianatra ve?»

Sample post image

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

24-avril-2024

Ramboasalama Emilien. Eo indrindra, hoy izy, no tokony hiheritreritra ny rehetra amin’ny fijerena ny hoe iza no tokony ho fidiana sy atao solombavambahoaka ao amin’ny antenimieram-pirenena? Tokony hijery koa ny vahoaka hoe ilay olona iantefan’ny safidiko ve tena afaka hitondra marina ny hetahetako mba hananana hoavy mamirapiratra sa tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany manokana? Izaho moa kandida mahaleotena. Tokony hihoarana, ialàna ny adilahy politika. Tokony hifantoka amin’ny tombontsoam-pirenena ny zava-drehetra. Ny 80,5% -n’ny malagasy izao miaina ambanin’ny 2,15 Dolara. Tena anaty fahantrana lalina ny malagasy. Tadidio tsara fa in-2 isan-taona izany solombavambahoaka izany no mivory. Ao no hijerena ny lalàna mifehy ny tokony hitantanana ny firenena sy ny hanitsiana an’izany dia olona tsy nianatra ve no tokony hampandraiketana an’izany? Olona tsy mahafantatra hoe inona izany «finance publique» izany? Tsy mahafantatra akory hoe inona no olan’ny olona fa dia apetraka fotsiny amin’ny hoe izahay avy amin’ny fitondrana dia tsy maintsy izao no eo fa mila jerena tsara izany izay zavatra izay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly

Card image cap
16-janv-2025

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

Card image cap
16-janv-2025

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana

Card image cap
16-janv-2025

Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena

Card image cap
15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap