airtel

Politique

21-oct-2022

Politique

Andry Rajoelina Hanaraka ny dian-dRavalomanana ihany kay

Sample post image

Maha lasa eritreritra ny mpanara-baovao ary mampametra-panontaniana ao an-tsaina ao mihitsy hoe tena nifampiresaka mihitsy angamba ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana

21-oct-2022

sy ny ankehitriny, Andry Rajoelina, ny votoatin’ny kabarin’ity farany nandritry ny fihaonana an-tampony momba ny fihariana aty Afrika na ny Choiseul Business Africa Forum 2022 andiany fahatelo, notontosaina ao Casablanca, Maraoka, nanomboka ny 19 oktobra hatramin’ny omaly 20 oktobra 2022. Manana hambom-po hanamboatra lalana mirefy 6.800 hatramin’ny 10.800 kilaometatra ao anatin’ny 6 taona i Madagasikara, hoy ny filoha Andry Rajoelina. Mieritreritra ny hanaraka ny dian’ny filoha teo alohany, Marc Ravalomanana, ihany, araka izany, ny filoha ankehitriny. Raha tsiahivina dia manodidina izay 10.000km izay mihitsy no totalin’ny lalana vitan’ny fitondrana Ravalomanana nanerana an’I Madagasikara tao anatin’ny 7 taona nitondrany. Novoizin’ny ekipan’ny filoha ankehitriny tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, eny, nialoha izany, mihitsy anefa ny hoe “ny lalana angaha azo hohanina?”. Dia gaga ianao, hoy ny fitenin-drizareo izay, fa ankehitriny izany dia mieritreritra hanaraka ny dian-dRavalomanana ihany kay ilay mpifanandrina politika voalohany aminy hatramin’izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap