airtel

Politique

08-mars-2024

ANDRY RAJOELINA

Mambabo fom-bahoaka amin’ny resaka famosirana indray ?

Sample post image

Nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovaon’ny fitaleavam-paritry

08-mars-2024

ny polisim-pirenena faritra Atsinanana tao Toamasina androany maraina no nanamafisan’ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy ampiharina ny ny famosirana na Castration. Ny fitaovana izay nanimba ny zaza dia tsy avela hiasa intsony hoy izy, ary tsy maintsy vosirina ireo lehilahy nahavanon-doza.
TEKNIKA SADY POLITIKA
Nilaza moa ingahy filoha fa tena namaky fo azy ny fahitana ny sarin’ireo zaza nisy nanolana sy nanimba. Misy ny lasa mitondra takaitra ara-batana sy ara-tsaina mandra-pahafatiny hoy izy, koa noho izany tsy ampy ny fanagadrana fotsiny ireo mpanolana zaza tsy ampy taona ireo. Mifanandrify indrindra amin’ny 8 martsa fankalazana ny andron’ny vehivavy izay atao any Toamasina ny lanonana ofisialy moa ity fanambaran’i Andry Rajoelina ity izay nilaza indray fa hoe mijoro hiaro ny ankizy sy ny vehivavy. Anisan’ny lalàna niteraka adihevitra be teto amin’ny firenena it resaka famosirana ity, somary niditra an-tsehatra hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy moa izay nandrangaranga fa mila jerena ihany ny resaka zon’olombelona.Efa lany moa ilay lalàna, efa nivoaka ny didy fampiharana koa dia mihatra izany. Ny tsikaritra dia miditra amina tontolo politika ity resaka famosiraa ity satria mety ho anisan’ny fomba iray indray hambaboan’ny filoham-pirenena ny fon’ny vahoaka izay misy aza no nitaky hoe ataovy didim-poitra faharoa mihitsy ireo mpanolana. Raha jerena maimaika dia hoe fanapahan-kevitra teknika ary rariny sy hitsiny raha oharina amin’ny vesatr’ilay heloka bevava. Fa rehefa dinihina lalina dia paikady politika ihany koa hampitoniana ny tebitebin-tsain’ny vahoaka noho ny fahasahiranana no sady karazana lalana iray hampisehoana fa hoe izaho anie ka filoha manakaiky vahoaka.
AHOANA INDRAY NY MANARAKA ?
Maro no miandry taorian’ity androany ity fa mba ho hentitra sy haingam-piasa tahaka izany ihany koa ny filoham-pirenena manoloana ny fanabakoavana sy fanondranana ny harem-pirenena, ny fibodoana tanin’ny vahoaka tsy mandady harona sy ny fampihorohoroana ataon’ireo malaso sy dahalo ny vahoaka Malagasy any amina faritra maro. Satria haingana dia haingana no nandaniana ity lalàna momba ny famosirana ity.
RTT
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap