airtel

Politique

17-mai-2024

ANKAZOBE

Fampiesonana fotsiny ilay hoe kianja manara-penitra

Sample post image

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

17-mai-2024

Fanentanana sy fampanantenana maro lafy no natao nambaboana ny fon’ny olona tany an-toerana. Nisy ny nanolo-tena tamin’ireo manampahefana tao Ankazobe fa hoe handray an-tanana manokana ny amin’ny « gazon synthétique ». Asa na hoe inona no nitranga fa ny hita aloha amin’izao volana mey 2024 izao dia tsy misy terrain synthétique izany raha ny ao Ankazobe. Ary hita miharihary be fa noho ny tsy fahampiana na ny tsy fisian’ny fikarakarana matotra dia simban’ny orana fotsiny ilay kianja. Zary efa tany lava volo mihitsy aza. Tadidinay tsara iny ary lesona noraisina hoy ny mponina any ao-toerana, izay maro no resy lahatra fa fotoannan’ny fanovana tokoa izao, ka dingana voalohany ny tsy fanekena intsony ny famandriana adrisa sy fampiesonana ataon’ity fitondrana Mapar – IRMAR ity sy ireo mpanao politika mpisolelaka miaraka aminy.Ary ny dingana faharoa sy ny fisafidianana olona tena Tia Tanindrazana, tia firaisankina mametraka ho ambony ny soa iombonana ary mananafomba fiasa tsotra, marina ara-pitantanana , mahomby amin’izay atao. Efa tonga saina ny vahoakan’Ankazobe.
RTT
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap