airtel

Politique

21-oct-2022

Politique

Antenimieram-pirenena « Tokony jerena akaiky ireo mihoa-pefy »

Sample post image

Be loatra, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana, ny fihoaram-pefy nataon’ireo solombavambahoaka, raha ny antenimieram-pirenena no resahana.

21-oct-2022

Teo izao nisy ilay vatosoa tratra tanatina kamiao izay tena nampitabataba ny filohan’ny vaomiera misahana ny loharanon-karena stratejika eny mihitsy, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Raha olona mpanao lalana no mandika lalana dia gaboraraka ny fitantanana firenena. Taorian’izay dia nisy ilay hazo sarobidy tratra tanatina kamiao iray koa izay mahavoatonona anarana solombavambahoaka iray koa. Midika izany fa tokony handray fepetra voalohany indrindra ny filohan’ity andrim-panjakana ity dia ny antenimieram-pirenena manoloana ireo ondriny. Hafahafa ihany ilay hoe ny filohan’ilay andrim-panjakana indray no miteny hoe “izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy.”. Midika izany fa miaiky ny fihoaram-pefin’ny sasantsasany amin’ireo ondriny ny filohan’ilay andrim-panjakana. Misy koa ny tsy fifankahazoana eo amin’ny depiote voafidy tany Betroka sy Bekily mikasika ny asan-dahalo mamaivay any amin’iny toerana iny. Eo no hisarihana ny feon’ny fiheritreretan’ny tsirairay, indrindra, ny mpitondra fanjakana ary singanina manokana ny filohan’ny antenimieram-pirenena mikasika ireo olona tokony handraisana fepetra manoloana izany ataontsika hoe fihoaram-pefy amina afera avo lenta izany. Ny vahoaka malagasy no tokony hahazo tombony amin’izany fa tsy hoe solombavambahoaka ianao dia manao izay tianao atao dia mankany aminao ny tombony. Volam-bahoaka tsy toko tsy forohana anefa no hanaramana anao. Anaty fivoriana ara-potoana isika izao ary tokony jerena akaiky ireo mihoam-pefy anatin’io andrimpanjakana io. Tsy izany ihany fa eo koa ny faharisihan’ireo solombavambahoaka. Raharaham-pirenena no dinihina. Ny dikan’izany dia tokony andraisana fepetra ireo depiote mikilavaka nefa mandray ny karama sy tambikaramany ihany. Ho avy izao ny lalana mikasika ny tetibola ka raha depiote miisa 20 kosa angamba no handany izany dia heverina fa hafahafa ihany, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap