airtel

Politique

17-août-2026

ANTENIMIERAMPIRENENA

Andrim-panjakana sa

Sample post image

lapan'ny tombontsoa manokana?"

17-août-2026

Ny Antenimierampirenena no solontenan'ny vahoaka malagasy, izy no mpiandry ny lalàmpanorenana, izy no manara-maso ny asan'ny Governemanta. Izany no ambara ao amin'ny lalàm-panorenana. Izany no nifidianana ny solombavambahoaka tsirairay. Inona anefa ny tena zava-misy ? Misy solombavambahoaka tsy hita tabilao amin'ny fivoriana. Ny vahoaka mahatsapa, mahita lalàna lany tsy amim-pahazotoana na tsy amim-kalalahana. Mahita elanelana lehibe eo amin'ny fampanantenana tamin'ny fampielezan-kevitra sy ny asa vita rehefa vita ny fifidianana.

NY VAHOAKA SA TOMBOTSOA MANOKANA ?
Ny fanontaniana tsy mipetraka dia hoe : Iza marina no omem-boninahitra ao anatin'izany — ny vahoaka, sa ny tombontsoa manokana ? Tsy misy olana manokana amin'iza na Iza izany. Tsy teny atao hiadiana amin'ny ankolafin-kery samihafa ihàny koa. Fa fanontaniana lalim-paka avy amin'ny vahoaka izay maniry antenimiera mendrika, miasa, sy azo atokisana.

IREO ANDRAIKITRA
Tsara ampatsiahivina kely ireo andraikitry ny solombavambahoaka dia mazava : manolotra sy mandany ny lalàna mifanaraka amin'ny tombotsoam-bahoaka. Manara-maso ny asan'ny fanjakana mba tsy hisy tsy fanarahan-dalàna sy kolikoly. Miteny amin'ny anaran'ny faritra nahavoafidy azy. Raha tsy voahaja ireo andraikitra telo ireo, dia very ny antom-pisian'io andrim-panjakana io. Satria lasa ny tombotsoa manokana sy ny fiarovantseza no mibahana fa tsy ny tombotson'ny vahoaka.

FANAVAOZANA
Ary izany no anton'ny nitakian'ny vahoaka ny fanavaozana. Tafiditra ato anatin'izany ny fanavaozana tena izy ny rafitra eo anivon'ny Antenimierampirenena. Ary rehefa tsy tanteraka izany dia hiafara amin'ny fitakian'ny vahoaka ny handravana ny antenimierampirenena mihintsy ary. Fahasorenana avy amin'ny olom-pirenena izay miandrandra mafy ny fanavaozana ny mahita ny andrim-panjakana tokony hiaro azy ireo, nefa toa miaro tombontsoa hafa. Fahasorenena ho azy ireo ihàny koa ny mahita ireto solombavambahoaka sasany toa variana manara-dia ny filohan'ny fanavaozana any amin'ny toerana tsy tokony alehany. Indraindray ary toa miezaka ny hamingana azy no tena anton-diany. Marihana fa tsy manaja ny fenitra ara-demokratika izany satria tokony hipetraka mazava foana ny fisarahanan'andraikitra eo amin'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalana. Ny vahoaka tsy adala. Fantany rehefa misy elanelana eo amin'ny teny atao sy ny asa vita.


Ho an'ny antoko AVI, ny olana eo anivon'ny antenimiera ankehitriny dia olana mazava tsara. Fomba fanao mila ovaina. Kolontsaina ara-pôlitika mila ovaina, hoy ny filoha Nasionaly Dr Zavamanitra Andriamiharivolamen. Fanavaozana tena izy no mila apetraka. Ny AVI dia mahatakatra tsara ny hatezeran'ny vahoaka. Ary mitaky, toy ny vahoaka, fanavaozana tena izy — dieny mbola tsy tara loatra.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

18-août-2026

Nisokatra ofisialy omaly 17 aogositra

Card image cap
18-août-2026

Goavana ireo dosie 5, atahorana hitsoaka sy hamafa porofo…

Card image cap