airtel

Politique

17-avril-2024

Antenimierampirenena

Nesorin-dRaholdina amboletra ny Lehiben'ny Arofenitra…

Sample post image

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

17-avril-2024

sy ny HCC ny Filohan'io Andrim-panjakana io ny 28 martsa 2024. Efa adihevitra be ny momba an'iny hoe tao anatin'ny fanarahan-dalana tokoa ve? Nahoana no tsy niainga tamin'ny latsa-bato tao Tsimbazaza? Andro vitsy taorian'iny dia toa nisora-tena ho mpisolo toerana ny PAN ny Filoha lefitra avy amin'ny Faritanin'Antananarivo Atoa Naivo Raholdina. Nitondra ny Préfet sy tompon'andraikitra samihafa ka nilaza fa hamafisina ny fepetra fidirana ao Tsimbazaza, tsy azo hanaovana fanambarana politika,... Fotoana fohy taorian'io dia nosoloina ny Talen'ny Fiarovana. Afak'omaly 15 aprily indray, nanaitra ny rehetra ny fivoahan'ny arrêté N°49-AN/P navokan'Atoa Naivo Raholdina, nanafoana ny Arrêté N°114-AN/P ny 09 aogositra 2019 nanendrena ny Talen'ny Arofenitra na Directeur du protocole eo anivon'ny Antenimierampirenena. Betsaka no nametra-panontaniana eny fa na ireo Depiote aza hoe: fahefan'ny Filoha lefitra avy amin'ny Faritanin'Antananarivo ve izany sa mitohy ny kopisoroka sy fanonganam-panjakana? Isan’ny naneho hevitra ny Depiote Alain Ratsimbazafy naneho fa tsy misy dikany ny fipetrahan’ny filoha mpisolo toerana raha io filoha lefitra io no manao Sonia. Ny lalàna dia ny Filoha lefitra zokiny indrindra no mandray ny toerana, ka karazana fandikan-dalàna sy fisandohan’andraikitra no mitranga, raha raisina amin’ny nambarany. Mety hiteraka savorovoro raha mitohy ny fandikan-dalàna tahaka izao, hoy izy. Filohan'ny Antenimierampirenena mpisolo toerana ihany ny tokony hanasonia ny fanapahan-kevitra raisina. Tafapetraka ny zoma lasa teo moa ny maha Filoha mpisolo toerana an'Atoa Jean Jacques Rabenirina taorian'ny fivorian'ny birao maharitra. Heno tamin'ny onjam-peo iray Rtoa Lanto Rakotomanga isan'ireo mpikamban'ny Birao maharitra omaly, nanamafy fa araka ny andininy faha-17 amin'ny fitsipika anatin'ny Antenimierampirenena dia ny filoha lefitra zokiolona indrindra no misolo toerana ny Filohan'ny Antenimierampirenena. Ny fanasoniavana ny fampandehanan-draharaha no ataony, tsy maintsy iraisan'ny birao amin'ny fivoriambe kosa anefa ny fanapahan-kevitra lehibe eo anivon'io andrim-panjakana io, araka ny andininy faha-14 amin'ny fitsipika anatiny, hoy izy. Tsy misy olon-tokana afaka mandray fanapahan-kevitra manokana, eny fa na ny Filohan'ny Antenimierampirenena mpisolo toerana aza, hoy ny fanamafisana. Depiote IRD ity miteny ity, ary rehefa zohiana dia mifanipaka amin'ny fihetsik'Atoa Naivo Raholdina ny nambarany. Efa tsy voafehy sy manao izay maha diavolana ny sainy ary ve izany ity Depiote Filoha lefitry ny andrim-panjakana sady mbola kandida ity ka toa misora-tena ho filohana andrim-panjakana ity sa baiko avy amin'ny fitondrana na sinema politika?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly

Card image cap
16-janv-2025

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

Card image cap
16-janv-2025

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana

Card image cap
15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap