airtel

Politique

06-mai-2026

Antenimierampirenena

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Sample post image

Nisokatra omaly ny fotoam-pivoriana

06-mai-2026

ara-potoana voalohany ao amin’ny Antenimierampirenena, araka ny voafaritra ao amin’ny andininy faha 75 amin’ny Lalàmpanorenana, izay mandidy fivoriana indroa isan-taona mandritra ny 60 andro, amin’ny talata voalohany volana mey sy talata fahatelo volana oktobra. Ireo fivoriana ireo dia natokana indrindra ho an’ny fandinihana sy fandalinana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary koa ny famelabelaran-kevitry ny Praiminisitra momba ny fandaharan’asany sy ny fanontaniana avy amin’ny solombavambahoaka. Heverina fa sedra voalohany ho an’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison ihany koa io. Nandritra ny fanokafana omaly, nanamafy Atoa Randrianasoloniaiko Siteny, filohan’ny Antenimierampirenena, fa tokony ho hentitra ny fitondrana amin’ny fandraisana vahiny mpampiasa vola. Notsindriany fa ny lafiny ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana no tokony hojerena voalohany alohan’ny hanomezana fahazoan-dàlana amin’ny tetikasa. Nanondro manokana izy ny tetikasa Vara Mada, fantatra taloha amin’ny anarana Base Toliara, izay nolazainy fa tsy tokony omena alalana mihitsy amin’ny fitrandrahana. “Tsy tokony ho firenena mangataka atiny intsony isika ka hionona amin’ny zavatra kely,” hoy izy nanamafy. Etsy ankilany, naneho ahiahy ihany koa ny filohan’ny Antenimierampirenena manoloana ny feo mandeha fa hamarotra ny 35% anjarany ny mpiara-miombonantoka vahiny ao amin’ny Ravinala Airports. “Raha misy izany dia tokony hovidian’ny Malagasy izany,” hoy Randrianasoloniaiko Siteny. Nampitodika ny sain’ny solombavambahoaka sy ny governemanta izy fa mbola tsy misy fitsinjaram-pahefana tena izy eto amin’ny firenena, satria 2% monja amin’ny tetibolam-panjakana sy 5% amin’ny fahefana no tonga eny amin’ny faritra tsirairay. Nilaza izy fa tsy nanana fahavononana politika mihitsy ireo mpitondra nifanesy, ka izany no antony tsy nahafahan’ny Malagasy misitraka ny zony. Nohamafisiny fa tsy maintsy hiroso amin’ny fivoriana ny Antenimierampirenena mandra-pahavitan’ny fandinihana sy fankatoavana ny lalàna hanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Izany no heveriny ho vahaolana hahafahan’ny vahoaka Malagasy manerana ny faritra misitraka ny zony sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana.
Toky R


 

Dans la même rubrique

06-mai-2026

ny fisamborana an-dRaholdina »

Card image cap
06-mai-2026

fiampangan’ny Antenimierampirenena

Card image cap
06-mai-2026

sy ny Minisitry ny Fitsarana…

Card image cap
05-mai-2026

fampiofanana ireo mpampiofana hitarika

Card image cap
05-mai-2026

immunité », tsy misy fitsarana azo atao,… !»

Card image cap