airtel

Politique

21-août-2026

Guillaume Rabetsimamanga

«Ny SADC no mila antsika»

Sample post image

Raha vao miresaka fianakaviambe

21-août-2026

iraisampirenena toy ny SADC, Vondrona eoropeanina, Vondrona afrikanina na UA, Firenena mikambana na ONU sy ny maro tsy voatanisa isika, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena, Guillaume Ratsimamanga, dia fifandraisana iraisampirenena izay no resaka. Tsy afaka hiolonolona, hoy izy, ny firenena iray fa tsy maintsy manana fifandraisana. Misy ny miditra amin’ny fifandraisana amina vondrona toy ireny SADC na UA ireny na ONU. Na izany na tsy izany nefa dia tsy maintsy arovana foana ny fiandrianam-pirenena! Vao tamin’ny andron’ny fitondràna Ravalomanana isika vao niditra tanaty SADC, izay Vondrona ara-barotra aty atsimon’i Afrika. Nandalo tao Afrika atsimo ny tena tamin’ny fotoan’andro dia nihaona tamin’ireo mpandraharaha afrikanina tatsimo ireo. Nanontany ny tena mahaliana azy ireo amin’i Madagasikara. Nilaza ireo fa liana amin’ny vokatra rehetra eto na ara-toekarena izany na indostrialy. Nilaza ireo fa tsy ampy ny vokatra eto Madagasikara. Niezaka nampita izany tamin’ny tomponandraikitra tamin’ny fotoan’andro ny tena. Manana tombontsoa ngezabe eto Madagasikara nefa i Afrika atsimo. Marobe ny akora fampiasa sy ilaina an-davan’andro afarantsika any Afrika atsimo. Akaiky an’i Afrika atsimo isika, izany hoe, mety kelikely ny saram-pitaterana, mety mora-mora kokoa ny fandraharahana satria mampiasa rafitra anglisy izy. Na ao anaty SADC na tsia izany isika dia tsy tokony ho olana be satria efa tsy tao koa isika taloha. Soa ihany moa izany fa hoe efa miravindravia ny fifandraisantsika aminy amin’izao fotoana izao. Raha ny tena izy dia ny SADC no mila antsika. Ny SADC no manana entana be dia be ahondrana aty. Firenena tokony samy manana omena sy alaina no mifandray! Miezaka manao diplaomasia misokatra ny fitondràna ankehitriny fa tsy mionona amin’ny fifandraisany taloha. Tany Tchad izao, ohatra, farany teo ny filohan’ny fanavaozana. Tany Egipta sy tamina firenena vaovao ifandraisany koa. Ireny no tokony itarina sy itadiavana tombony ho an’ny firenena! Efa nanana solontena nivory tany amin’ny SADC farany teo i Madagasikara. Efa tsara izay. Tahaka izay koa ny fifandraisana amin’ny firenen-dehibe. Mbola tsy afaka amin’ny amerikanina isika fa dia nitariny hatramin’ny taona 2028 ny AGOA. Toy izany koa ny fifandraisana amin’ny rosianina. Tokony samy manana ny fiandrianany ny firenena mifandray. Tena ampirisihina ny fifandraisan’ny firenena miisa roa na «relation bilatérale»! Hamafisina ny fampiasàna teny malagasy any ivelany ohatran’io ataon’ny filohan’ny fanavaozana io. Mitady mpandika teny izay tsy mahazo. Ny sinoa tsy mampiasa afa-tsy teny sinoa. Hatrany amin’ny ambaratonga fototra any an-tsekoly ka hatrany amin’ny lisea dia izay ny azy ary na ny eny amin’ny oniversite aza dia efa manana fomba manokana izy hampianarana tenim-pirenena hafa anaty iray volana monja, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

Card image cap
20-août-2026

fandraisan'i Madagasikara azy...

Card image cap
20-août-2026

mankany amin'ny fifidianana

Card image cap
20-août-2026

Tsy nasian’ny SADC resaka sy tsindry mivantana intsony…

Card image cap