airtel

Politique

21-août-2026

Front de libération national

«Nanongam-panjakàna i Rajoelina

Sample post image

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

21-août-2026

Miasa ho an’ny vondrona iraisampirenena ny SADC, hoy ny FLN na Front de libération national, ka raha ny asany eto Madagasikara izany no resahina dia ny hamerina an’ity firenena ity anaty lalàmpanorenana na «ordre constitutionnelle» no tanjony. Tsy hisy hiraharahiany an’izay lalàmpanorenana ho ampiasainao na ilay taloha na izay ho ahintsy na ho vaovao mihitsy, hoy ny mpandrindra nasionaly, Iada Jean Pierre. Rehefa tsy mifanipaka amin’ny ilain’ny vondrona iraisampirenena miara-miasa amin’ilay firenenao fotsiny ny azy dia ampy azy, ankoatran’ny hoe lalàmpanorenena manomana fifidianana. Tsy manampy an’i Madagasikara amin’ny olana misy eto aminy ohatran’ny resaka herinaratra izy na rano na fahasahiranana hafa fa dia ny hamerina an’i Madagasikara anaty «ordre constitutionnelle» ihany no tadiaviny. Tsy tsara toerana ny SADC ho an’ny FLN satria mivoy ny politika tsy fiankinan-doha ny FLN fa fiaraha-miasa. Ny fanaovana sonia fifanarahana miaraka amina rafitra toy ireny dia lasa nandemy ny fiandrianam-pirenena satria lasa manome alalana ilay rafitra handamina ilay raharaha anatin’ny firenenao tsinona ianao amin’izay fotoana izay. Raha miheritreritra ny hiala amin’ny SADC nefa i Madagasikara dia midika izany hoe ialàny koa ny Firenena mikambana. Rafitra napetraky ny Firenena mikambana ny SADC fa tsy niforona ho azy. Na ny firenena izany misafidy ny tsy hiara-hiasa intsony amin’ireny rafitra ireny, amin’ny alalan’ny lalàmpanorenana ho atsangany manaraka eo dia zakaina ny vokany, na tazoniny ihany ny fiaraha-miasa fa miaraka amina filoham-pirenena mahay miara-miasa tsara amin’ireny fifanarahana iraisampirenena ireny. Efa nanongam-panjakàna i Andry Rajoelina ary mahafantatra tsara ny fomba fiasan’ny SADC. Miasa sy mampihatra izany izy izao ka izay rehetra nahavoa azy tamin’ny nanongana an’i Ravalomanana dia tsy ataony. Izay rehetra nahavoa an’i Ravalomanana tamin’ireny koa dia tsy ataony. Mitady hevitra foana izy hahatonga azy hatanjaka kokoa eo anatrehan’ny diplaomasia iraisampirenena. Mahazo rariny be amin’ny fianakaviambe iraisampirenena io izy tsy miteny io. Rehefa nisafidy ny hanao dinika politika ny fitondràna ankehitriny dia manana ny famaritany izany koa ny fianakaviambe iraisampirenena dia ny fifampiresahana eo amin’ny nahongana sy ny mpanongana ary ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena. Rehefa tsy misy ny mpanelanelana hita dia miditra ny fianakaviambe iraisampirenena. Tsy maintsy mialoha fampihavanam-pirenena na famoahana gadra politika nefa io dinika politika io, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Raha vao miresaka fianakaviambe

Card image cap
20-août-2026

fandraisan'i Madagasikara azy...

Card image cap
20-août-2026

mankany amin'ny fifidianana

Card image cap
20-août-2026

Tsy nasian’ny SADC resaka sy tsindry mivantana intsony…

Card image cap