Niala tamin'ny fahanginany i Anthelme Ramparany, mpanolotsaina manokan'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, manoloana ny fivoizan'ny sasany resa-pihaviana sy Foko misy ireo mpitondra ankehitriny. Nanipika mazava tamin'ny ranty nataony ity minisitry ny tontolo iainana teo aloha sady efa solombavambahoaka voafidy tao Mananjary ity fa "rehefa lasa filoha ny olona iray dia tsy an'ny Foko iray na Faritra iray na Faritany iray intsony. An'ny Foko rehetra misy eto Madagasikara izy ary hampivoatra ny Faritra rehetra no tanjony". Koa "Halaviro ny fampizarazarana fa Malagasy iray isika", hoy i Anthelme Ramparany. Naneho ny heviny koa ity farany momba ny fanovan-drafitra izay hetahetan'ny maro, fa "ny rafitra hitondrana ny tany sy ny fanjakana dia tokony miainga amin'ny hevitry ny Faritra rehetra ka izay lany eo dia tokony ekena na rafitra federalisma io na Faritany mizakatena na fitsinjaram-pahefana. Samia mahay mandresy lahatra sy mampiseho fa ny rafitra tohananao dia tena hampandroso ny Malagasy marina fa aza mifanatsatso sy mifanapepo izay hiteraka fifandrafiana. Aoka ny Tafika ho tandroka aron'ny vozona hatrany". Ho an'i Anthelme Ramparany manokana dia mila mametraka fitsipi-pifehezana mazava ny Malagasy ka izay tsy manaja izany dia saziana (ara-bola na ara-batana). "Ndao tsy ho ekena intsony ny fanao ratsy nisy hatrizay sy ny fisolelahana manimba mpitondra. Ndao ahitsy ny mivilobiloka. Mila fahasahiana izany !"
Nangonin'i Jean D
Anthelme Ramparany, minisitry ny tontolo iainana teo aloha sady efa solombavambahoaka voafidy tao Mananjary
Somary manahirana ny toe-draharaha politika