airtel

Politique

15-mars-2024

ANTOKO FANOROLAHY

Nijery ireo marefo tao Fenerive Est

Sample post image

Betsaka ireo fianakaviana sahirana amin’izao .

15-mars-2024

 Tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro sisa vokatry ny fahasahiranana sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy lazaina intsony ireo voatery matory eny amoron-dalana noho ny tsy fahaloavana hofantrano. Tsy manadino azy ireny ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Nidina ifotony tany Fenerive Est izy ireo nijery ireo fianakaviana tena sahirana. Tamin’ny alalan’ny fitondrana ilay tetikasa mafonja no nanatontosany izany ka ankoatra ny fizarana sakafo masaka maimaim-poana dia natoro sy nomena fiofanana momba ny fambolena ihany koa ny mponina hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Na izany aza anefa dia napetraky ny antoko Fanorolahy mazava fa fotoam-pifidianana izao. Tsy resa-politika araka izany no hatao hoy ny filoha nasionaliny Randrianary Jose fa fanavotana ny mpiray tanindrazana izay efa tena reraky ny adim-piainana sy ny hanoanana. Olona an-jatony moa no nofahanana sakafo nandritra izany, hetsika nanomboka afak’omaly Alarobia. Nankasitraka feno ny kaominina Fenerive Est ity antoko ity tamin’ny fandraisana azy ireo ka nahafahany nanatontosa izao tetikasa Mafonja izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny antoko Fanorolahy tamin’ireo vahoaka ao Fenerive Est !
 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap