airtel

Politique

22-févr-2024

Antoko politika Arema

«Misafotofoto ny raharaham-pirenena»

Sample post image

Iarahantsika mahalala moa izany fa ny raharaha Romy Voos

22-févr-2024

dia niainga tamin’ny hoe nangataka vola tamin’ny tomponandraikitry ny orinasa Gemfield mba ahafahan’ireto farany miasa eto amintsika, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika Arema na Antoko revolisionera malagasy, Pr Ange Andrianarisoa. Samy manana ny toetrany moa ny olona, hoy izy, ary izy talen’ny kabinetra nihevitra fa hoe miresaka amin’ny filohan’ny repoblika saingy ny fihetsika nataony moa izany dia heverin’ny tomponandraiki-panjakana fa tsy ara-dalàna ary fangatahana tombontsoa manokana ho an’ny tenany. Izay no antony nanirahana mpanara-maso miafina nanara-maso azy ka nahatrarana azy. Mampalahelo ny tranga toy izany satria malagasy iny. Anatra ireny hoe tokony hitandrina tsara sy hanana toetra mendrika izay olona manana andraikitra eto amin’ny firenena. Manomboka amin’ny filohan’ny repoblika izany ka hatramin’ireo mpiara-miasa aminy. Mikasika ny antoko Arema kosa dia efa ela izahay no vonona amin’ny fiatrehana ireo fifidianana hoavy kanefa moa ny tena tadiavina dia ny mba hisian’ny fitoviana eo amin’ny fanatanterahana izany fifidianana izany. Iarahanareo mahalala tsara fa matoa izahay nisintona ny antotan-taratasinay tamin’ny firotsahana ho filohan’ny repoblika farany teo dia nahita fa nisy zavatra tsy nety tao. Tsy nety ny fomba fitsarana sy fampiharana ny lalàna amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Isan’ny nametrahanay tolo-dalàna teny anivon’ny antenimieram-pirenena io lalàna mifehy ny fifidianana io ny jolay 2023. Nangataka ny hanovana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara izahay. Hatramin’izao moa tsy fantatra izay fandehany. Tsy misy fandinihina, tsy misy na inona na inona. Tsy midika akory izany fa hipetra-potsiny amin’izao izahay ary izay no ilàna ny fananana solombavambahoaka ao amin’ny antenimieram-pirenena. Betsaka izao no mitaraina hoe lafo loatra ilay anto-bola na «caution». Tena atao inona marina moa izany izy io raha hoe mahazo 10% dia miverina ny vola? Ahoana izany no hanatanterahana ilay fifidianana raha toa ka tsy mazava tsara toy izany ny mikasika ilay anto-bola? Tsy natao ho sakana tsy hirotsahana nefa moa izany. Matoa mirotsaka dia vonona ny hanatsara sy hitady izay mahasoa ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Ohatrany misafotofoto ny raharaham-pirenena amin’izao satria tsy mety ny fomba nanatanterahana ny fifidianana ka aleo miditra ao anatiny ahafahana manatsara fa tsy mijery fotsiny amin’izao, hoy hatrany ny Arema.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap