airtel

Politique

13-sept-2022

Politique

Antoko politika Fiombonana “Fifidianana no tanjona fa tsy fividianana olona ”

Sample post image

Samy miezaka miseho izao ny mpanohitra sy ny eo anivon’ny fitondrana, hoy ny antoko politika Fiombonana.

13-sept-2022

Ny tokony imasoana foana aminay na inona na inona fampisehoan-kerin’ny andaniny sy ankilany dia izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Mahakasika ny RN5 A izay lalana mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar dia fifanarahana efa ela io tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Izao fitondrana izao, ho fanajana ny fitohizan’asam-panjakana, no nahatonga ilay izy ho vita ankehitriny ka ireharehan’izao fitondrana izao. Azo atao ny mirehareha fa raha ny fizahozahoana hoe ianao no angady nananana sy vy nahitana ny fahavitana ilay lalam-pirenena RN5 A kosa dia tsy filazana ny marina amin’ny vahoaka malagasy izany. Mila ovana izany fomba fanao politika izany raha te handroso isika eto Madagasikara. Zavatra tsy tokony hireharehana ireny satria fijerena ny mahasoa vahoaka no antony itondrana. Anjaran’ny vahoaka no mitsara. Hiatrika fifidianana isika amin’ny 2023. Ilaina ny fanadiovana ny lisi-pifidianana. Eo koa ny fandrafetana hatramin’ny voalohany izany na “refonte”, izay nambaran’ny masoivoho eoropeanina vaovao, Isabelle Delatre, sy ny iraka manokan’izy ireo hanara-maso ny fifidianana tamin’ny alalan’ny mpikamban’ny antenimiera eoropeanina. Matoa misy ireny fitakiana ireny dia misy tsy mety tokony alamina ao. Izay no mahatonga anay hiaraka amin’ny vondron’ny mpanohitra mikasika ilay fikaonan-doham-pirenena mba hiompana bebe kokoa amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana 2023. Hiatrika fivoriana ara-potoana faharoa koa ny parlemanta amin’ny talata fahatelon’ny volana oktobra, araka ny voalazan’ny lalampanorenana ao amin’ny andininy faha 70. Tokony atao anaty tetiandro koa ny fandinihana ny tokony ho loharanom-bolan’ny propagandin’ny kandida tsirairay satria 60 andro ireo no mivory, hoy hatrany ny Fiombonana, mba ho fifidianana olona fa tsy fividianana olona no tanjona.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap