airtel

Politique

12-avril-2024

Antoko politika Fiombonana

«Ny rafitra no mety tsy niova fa ny olona afaka manova famindra»

Sample post image

Tsy mbola niova ny fahitan’ny antoko politika Fiombonana ny fifidianana eto Madagasikara,

12-avril-2024

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Efa nanaitra foana izahay, hoy izy, mikasika ny tokony hijerena akaiky io dingana mikasika ny fifidianana na «processus électoral» io. Misy ny fanenjehana ireo kandida nandrotsaka ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka. Nitranga izany tany amin’ny distrikan’i Nosy be Hell ville. Hita koa izay tany amin’ny distrikan’i Vangahindrano. Tranga faharoa naneho fa mbola tsy milamina ny dingana dia eo amin’ny fanangonana ireo antotan-taratasy maro samihafa ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana solombavambahoaka izay. Hitantsika fa nitaraina koa ny kandida iray ao amin’ny distrikan’Antanifotsy fa hatramin’izao dia mbola mananosarotra ho azy ny mahazo ilay «Etat 211 bis» na fahazoan-dalana ka nametrahany fitarainana eny anivon’ny CENI, izay andrasana moa ny valin’izany. Izany rehetra izany midika fa tsy tena an-kalalahana ny fandraisana anjaran’ny rehetra manam-piniavana handray anjara biriky amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity. Mampametra-panontaniana ihany satria tanjon’ny fitondrana ny hametraka maro an’isa eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Amin’ny alalan’ny fanakatsakanana ny hafa ve izany no hametrahana ny tarigetra tsy maintsy azo ny maro an’isa? Nampitaraina solombavambahoaka am-perin’asa koa ny teritery mahazo ireo sefo fokontany mikasika ny filatsahan-kofidiana ao amin’ny boriboritany faha 4. Manambara izany rehetra izany fa anaty tsy filaminana mialohan’ny fifidianana isika izao. Mampitaraina ireo antoko politika sy mpisehatra politika ary ireo kandida izay mikasa hirotsaka ho fidiana solombavambahoaka izany. Manaitra ny fitondram-panjakana hoe aoka re tsy ho mialohan’izao fifidianana izao no hisian’ny tranga samihafa tsy hiteraka filaminana mialohan’ny fifidianana izay. Eo koa ireo ambaratongam-pahefana miandraikitra ity fifidianana ity dia ny CENI sy HCC izay antsoina mba hijoro amin’ny fahitsiana ka hijoro ho an’ny vahoaka sy ho amin’ny fampanarahan-dalàna amin’ny tranga miseho rehetra. Ny rafitra no mety tsy niova fa ny olona afaka manova famindra hampanjaka ny fahamarinana, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap