maro dia misy tsy ara-dalàna ny fandehan’ny politika eto, hoy ny antoko politika LFN na Liana fahasoavana ny nosiko. Mila dinihina lalina ny momba an’io antenimieram-pirenena io, hoy ny filohan’ity antoko ity, José Solofoharijao. Toy izany koa ny HCC. Ny CENI moa mbola miandry fa ireo rafitra miisa 2 notanisaina teo aloha ireo no mahamay izao. Tsy mitombina intsony ny maha mpisolotoerana filoham-pirenena ny filohan’ny fanavaozana satria efa tsy iraka demokratika na «mission democratique» intsony no ataon’ireo rafitra miisa 2 misy mitaky ny handravàna azy ireo. Tsy mitombina eto koa izany federalisma izany, indrindra, ho anay mankany amin’ny lalan’ny demokrasia sosialy sy nisafidy ny mahaolona sosialy na «humanisme social» dia tena tsy mety aminay ny federalisma satria firaisam-pirenena izao no ilain’ity firenena ity. Mila fanarenana ara-tsaina sy mahatoky na «refondation morale et loyale» ny fanjakàna malagasy. Io fanarenana ara-tsaina sy mahatoky ho an’ny fanjakàna io no votoatin’ny tetikasan’ny LFN ahatongavana amin’ny fitantanana miorina amin’ny fahintsiana, mangarahara, fijoroana. Antoka ho an’ny fananganana firenena marina, mafy, ankatoavin’izao tontolo izao izany, hoy hatrany ny LFN.
J. Mirija
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny RMDM