airtel

Politique

21-juil-2026

Antoko politika LFN

«Nitotongana lavitra be ny mahaolona teto»

Sample post image

Nampahafantatra ny fisiany

21-juil-2026

tamin’ny alalan’ny filohany, José Andriamiharijao Solofoharijao, ny antoko politika LFN na Liana fahasoavana ny nosiko. Ny «humanisme social» na mahaolona ara-tsosialy, hoy izy, dia voka-pikarohana na «thèse» politikako mihitsy. Tsotra ny hevitr’io ary tiana hosoratana anaty lalàmpanorenana ny dikany. Tetikasan’ny antoko izany. Tena nitotongana lavitra be ny mahaolona teto tao anatin’izay 66 taona izay. Rehefa mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena dia niha mafy be tao anatin’izay ny kolikoly. Niha mafy be ny fahantrana, ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fitoviana. Ny fahitàna izany rehetra izany no nahatsapàna rehefa nanao fanadihadiana isam-paritra hoe misy fitongilanana be mihitsy hatramin’izao eto Madagasikara. Misy ny mitaky fitsinjaràm-pahefàna na «décentralisation». Tena ilaina tokoa io satria ny tsy fisiany no mahatonga tsy fitoviana sy fahantrana. Tsy mitovy ny fahefàn’ny eto Antananarivo sy ny any amin’ny faritra. Hevi-baventy nahatonga ny antoko nanapa-kevitra izany hoe tsy maintsy soratana anatin’ny lalàmpanorenana io mahaolona ara-tsosialy io. Zava-misy eto amin’ny firenena na «réalité national» izay voalaza teo izay saingy efa loza mihatra na «tragédie» izany izao. Very fanahy ny malagasy. Mahita olona mivezivezy eto toy izao isika ankehitriny saingy tsy ao intsony ny lohany. Miady sakafo any anaty fako miaraka amin’ny alika. Antom-pisian’ny LFN ny hamongotra izany. Feno fahasoavana ity firenena ity. Hananantsika ny harena voajanahary. Hananantsika ny volamena, solitany, vato sarobidy nefa maninona ilay firenena no mahantra? Tsy hitanao intsony hoe inona no tokony atao aminy? Inona no ataon’ny fanjakàna? Baranahana ny kolikoly any anaty rafi-panjakàna. Niarahantsika nahita ny tatitra momba ny kaonty fa efa ho amin’arivo miliara Ariary ny vola voahodinkodina teto amin’ity firenena ity. Mbola mandeha moa izao ny famotorana ka izay no hevi-baventy ho entin’ny antoko amin’ny fikaonandoham-pirenena. Raha tafi-haona amin’ny filohan’ny fanavaozana ny antoko dia isan’ny sosokevitra ho arosony koa ny hoe tsy maintsy atao ny fifidianana filoham-pirenena ary hanana kandida ny antoko LFN, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

politika izay vao fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
21-oct-2026

finiavana politikan’ny mpitondra…»

Card image cap
21-oct-2026

Mila toetsaina vaovao sy

Card image cap
20-oct-2026

Miantso ny PRRM ho mailo amin’ireo manodidina azy

Card image cap
20-oct-2026

Mangataka ny FFKM hanome

Card image cap
20-oct-2026

Voaheloka 5 taona an-tranomaizina,

Card image cap