tamin’ny alalan’ny filohany, José Andriamiharijao Solofoharijao, ny antoko politika LFN na Liana fahasoavana ny nosiko. Ny «humanisme social» na mahaolona ara-tsosialy, hoy izy, dia voka-pikarohana na «thèse» politikako mihitsy. Tsotra ny hevitr’io ary tiana hosoratana anaty lalàmpanorenana ny dikany. Tetikasan’ny antoko izany. Tena nitotongana lavitra be ny mahaolona teto tao anatin’izay 66 taona izay. Rehefa mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena dia niha mafy be tao anatin’izay ny kolikoly. Niha mafy be ny fahantrana, ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fitoviana. Ny fahitàna izany rehetra izany no nahatsapàna rehefa nanao fanadihadiana isam-paritra hoe misy fitongilanana be mihitsy hatramin’izao eto Madagasikara. Misy ny mitaky fitsinjaràm-pahefàna na «décentralisation». Tena ilaina tokoa io satria ny tsy fisiany no mahatonga tsy fitoviana sy fahantrana. Tsy mitovy ny fahefàn’ny eto Antananarivo sy ny any amin’ny faritra. Hevi-baventy nahatonga ny antoko nanapa-kevitra izany hoe tsy maintsy soratana anatin’ny lalàmpanorenana io mahaolona ara-tsosialy io. Zava-misy eto amin’ny firenena na «réalité national» izay voalaza teo izay saingy efa loza mihatra na «tragédie» izany izao. Very fanahy ny malagasy. Mahita olona mivezivezy eto toy izao isika ankehitriny saingy tsy ao intsony ny lohany. Miady sakafo any anaty fako miaraka amin’ny alika. Antom-pisian’ny LFN ny hamongotra izany. Feno fahasoavana ity firenena ity. Hananantsika ny harena voajanahary. Hananantsika ny volamena, solitany, vato sarobidy nefa maninona ilay firenena no mahantra? Tsy hitanao intsony hoe inona no tokony atao aminy? Inona no ataon’ny fanjakàna? Baranahana ny kolikoly any anaty rafi-panjakàna. Niarahantsika nahita ny tatitra momba ny kaonty fa efa ho amin’arivo miliara Ariary ny vola voahodinkodina teto amin’ity firenena ity. Mbola mandeha moa izao ny famotorana ka izay no hevi-baventy ho entin’ny antoko amin’ny fikaonandoham-pirenena. Raha tafi-haona amin’ny filohan’ny fanavaozana ny antoko dia isan’ny sosokevitra ho arosony koa ny hoe tsy maintsy atao ny fifidianana filoham-pirenena ary hanana kandida ny antoko LFN, hoy hatrany ity antoko ity.
J. Mirija
Nifarana ny fitsidihana ofisialy