airtel

Politique

13-août-2026

Antoko politika Maeva

«Natao ambanin-javatra ny

Sample post image

faritra matoa…»

13-août-2026

Nivoaka tamin’ny fahanginany tamin’ny alalan’ny filohany, Mamy Raharimanana, omaly, ny antoko politika Maeva na Madagasikara endrika vanona. Mbola resaka voizina fotsiny, hoy izy, angamba, ny hoe rafitra federaly sy rafitra tokana fa mbola tsy tokony resahina. Amin’ny politika moa misy foana ny toy izany. Fifidianana no ao an-tsaina rehefa miresaka an’izany. Rafitra inona no ho laniana? Raha rafitra tokana hoe federaly ihany dia amin’ny alalan’ny fitsapàn-kevi-bahoaka hoe eny sa tsia toy ny mahazatra izany no hanaovana azy. Samy ahitana fanjakàna federaly sy fanjakàna tokana na «état unitaire» manerantany ary samy mampandroso firenena ireo. Tsy tokony ho fialàna andraikitra ny rafitra. Toe-tsain’ny mpitondra sy mpanao politika ihany no maha tafavoaka na tsia. Misy dikany matoa ny any amin’ny faritra mivoy resaka rafitra satria natao ambanin-javatra ny faritra. Natao ambanin-javatra ny fitantanana ny tany nefa tany ihany no nahazoana ireo harena an-kibon’ny tany amin’ny vola miditra amin’ny fanjakàna mankaty amin’ny fitondràna foibe. Soalala no namokatra harena an-kibon’ny tany dia Coliseum no tafatsangana. Aza omena tsiny raha mivoy izany ny any amin’ny faritra satria tsy voatsapan’ny tanany ny fampandrosoana natao tany! Izay ilay hoe tsy Antananarivo irery no Madagasikara. Mahaiza isika maka lesona, hoy hatrany ny Maeva!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ny asany ny depiote

Card image cap
14-août-2026

misokatra ny mpitondra»

Card image cap
13-août-2026

politika eto amin’ny firenena.

Card image cap