airtel

Politique

19-oct-2022

Politique

Antoko politika Otrikafo “Ho afointsika ve ny tombony tokony iarahana amin’i Rosia ?”

Sample post image

Tafiditra ao anatin’ilay hoe 3 volana ampidirana mpifidy anaty fifidianana isika ankehitriny, hoy ny antoko politika Otrikafo.

19-oct-2022

Nanomboka ny oktobra teo izany, raha ny voafaritry ny lalana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny. Ny tsikaritra dia vitsy ireo faritra nanomboka izany ny 1 oktobra teo. Mandrak’ity ny anio aza dia misy fokontany, kaominina, faritra mbola tsy nanomboka izany akory. Niezaka niantso ny namana tany amin’ny faritra notsidihanay izahay. Tany atsimo izao dia be dia be no nimenomenona fa tsy mbola nahita izany fampidirana mpifidy anaty lisi-pifidianana izany. Tsy fahampiana amin’ny lafiny ara-bola no mampandringa ny asan’ny CENI amin’izao. Rehefa natao ny fanadihadiana dia maro amin’ireo mpanisa no mbola tsy nahazo vola hiasana. Na ilay tablet miisa 5000 aza mbola betsaka koa no tsy tonga eny an-tanan’ireo mpanisa na “agent recenseur” ireo. Misy olana toy izany koa ireo ratsa-mangaika toy ny CNE na CNLE. Misy voatery mitrosa vola amin’iny tapany atsimo iny hanombohany asa. Ny 1 oktobra no efa tokony vonona ny enti-manana rehetra na vola na fitaovana na olombelona. Mbola tsy vonona 100% ilay hatramin’izao. Isan’ny miteraka adihevitra izany hoe hatraiza no hahafahantsika matoky izay lisi-pifidianana hoavy eo? Efa nametraka tanjona hoe 13.500.000 no olona hampidirina anaty lisi-pifidianana moa ny CENI ka sao dia alasafay no hahatongavana amin’izay? Tarehimarika avy aiza io? Vonona ho any am-ponja koa ve izany ireo mpanisa hanisa ireo voafonja mbola tsy voatsara? Ireo voafonja ve izany no hamenoana isa ary atao henjikenjika sy alasafay? Mahagaga ny fomba fandraisan’ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra ara-diplaomatika, raha ny mikasika ny raharaha ao Okrainina indray kosa. Nanapa-kevitra isika fa tsy haka firehana fa nanameloka ny rosianina indray anefa ny 12 oktobra teo. Fanamboaran-dresaka aminay ny fanazavana hoe tsy Mankato fakana tanin’olona isika satria tsy fantatry ny praiminisitra ve fa izany Rosia sy Okrainina izany anie ka tafaraka tao amin’ny firaisana sovietika? Ravan’ny amerikanina izany firaisana izany tamin’ny andron’ny filoha Gorbatchev. Tsy azo ampitoviana amin’ny fibodoan’ny frantsay ireo nosy malagasy izany satria varavarana miditra ao Rosia I Okrainina. Ahoana no hanekenao fahavalo hiditra ao an-tranonao? Fantatra fa te hamahatra ao Okrainina ny OTAN. Izay nahatonga io ady io no tokony melohana fa tsy ny rosianina te hamerina ny taniny. Vokatry ny hetraketraky ny tandrefana sy amerikanina no nampipoaka io ady io. Ho afointsika ve izany ny fikasan’ny rosianina hanampy antsika hamerina ireo nosy malagasy ireo na koa ny finiavan’ny rosianina hanafoana ny trosan’i Madagasikara izay tsy dia resahana firy? Ho afointsika ve izany ny tombony tokony iarahana amin’I Rosia, hoy hatrany ny Otrikafo ?

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap