airtel

Politique

31-janv-2024

Antoko politika Teza

“Tsy maintsy hivadika io toe-draharaha io na tiantsika na tsia!”

Sample post image

Ny zava-dehibe ahafahana manova ny fitsipi-dalao mikasika ny demokrasia

31-janv-2024

dia ny vahoaka izay tompon’ny fahefana eto amin’ity firenena ity, hoy ny antoko politika Teza. Efa nisy dingana vita, hoy ny filohan’ny antoko, Jean Louis Rakotoamboa. Efa nanomboka fantatry ny olona hoe tsy mety ilay fitsipi-dalao teo tamin’ny alalan’ireny hetsiky ny kandida miisa 11 ireny. Efa nanomboka nahatsapa ny olona na taty amin’ny resaka lalàm-pifidianana izany na lalàmpanorenana na famatsiam-bolan’ny antoko sy ny lalàna momba ny antoko. Zava-dehibe izay fahatsapam-pirenena na “conscience national” izay. Ireo tompon-draharaha rehetra eto amin’ny firenena ity efa manaiky. Ny fiarahamonim-pirenena efa manaiky. Ny antoko politika efa manaiky. Ny ampahany betsaka ao amin’ny tafika efa manaiky hoe tena mitombina izany zavatra izany fa mila avadika ho tanterahana eto amin’ity firenena ity satria izay no mendrika ny vahoaka malagasy amin’izao taona arivo faha 3 izao. Tsy maintsy hivadika io toe-draharaha io na tiantsika na tsia! Tsy manam-bola io fanjakana io fa resaka be fotsiny. Ny vola tokony hiditra amin’ny firenena ary betsaka indrindra dia ny lavanilina. 300.000 Ariary teo aloha ny 1 kilao. Izao 3000! Be dia be ny fandaniana ataonao eto nefa ianao tsy manam-bola. Fara faha ratsiny mba tokony 20 any no isan’ny minisitra. Izao 27. Misy departemanta be dia be ho foronina amin’izany. Ambonin’izay, misy ireo sekreteram-panjakana miisa 9 any amin’izao fotoana izao. Enta-mavesatra be ho an’ilay firenena mahantra tsy manam-bola izany. Mizaka ny tsy eran’ny ainy toy ireny omby be tandroka mahia ireny izao ny vahoaka malagasy. Mbola hiakatra ny vidim-piainana satria mbola hiakatra ny solika eran-tany ato ho ato noho io krizy iraisampirenena io. Tsy azo iainana intsony io zava-misy io na tianao na tsy tianao. Iarahantsika mahita i Frantsa renimalala sy i Eoropa fa krizy. Mitsotsorika ny toekareny. I Alemanina tratry ny vidin-tsolika lafobe any ivelany, ny entona na “gaz” lafobe any ivelany noho ny adalany tamin’ny rosianina dia mitsotsorika tanteraka ny toekareny. Hitantsika ireny grevin’ny mpamboly ao Frantsa miitatra erak’i Eoropa iraimanontolo ireny. Tsy afaka hamatsy vola ny gasy intsony ireo satria ny krizy any aminy aza tsy zakany. Ny tombontsoany no arovany eto matoa izy mamatsy fa aza mino hoe satria te hanavotra an’i Madagasikara izy, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap