airtel

Politique

16-mai-2024

Ben’ny tanànan’Antsiranana

Hiakatra PAC rahampitso

Sample post image

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

16-mai-2024

rahampitso zoma, ny ben’ny tanànan’ny kaominina andrenivohitr’Antsiranana, Jean-Luc DJavojozara, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nialohan’izao moa dia nilaza ity ben’ny tanàna ity fa haheno ny tohiny ny rehetra. Farany ity, hoy izy. Hivoaka eo anatrehan’ny fitsarana isika. Ity ilay aferako ao amin’ny PAC. Hianianako amin-janahary, amin’ny razana ary aminareo vahoakan’Antsiranana fa madio ny tenako ary tena madio. Afera tamin’ny 2017 io ary fanodinkodinana no hiampangana ahy. Tsy nisy ratsy nataoko tamin’izany. Tsy nilamina ny kaonty CUDS ny oktobra 2017. Aiza ary izany vola nahodinkodina izany? Namoaka tombana foana isika ny taona 2016. Madio ny kaonty rehetra. Toy izany koa ny 2017. Halako bika tsy tiako tarehy ve ity? Isika tsy resy tsy miady, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap