airtel

Politique

05-févr-2024

Antoko TIM

«Tsy azo havela hanjaka tokana ireo eo amin’ny fitondrana»

Sample post image

Nanateraka fambolen-kazo teny Imerikasinina ny Antoko TIM ny sabotsy lasa teo.

05-févr-2024

Iaraha-mahalala ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana ka raha tsy mandray andraikitra isika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia hisy vokany ratsy eo amin’ny firenena sy ireo taranaka mifandimby izany, na eo amin’ny lafin’ny fahasalamana, ekonomika, ary indrindra eo amin’ny fambolena sy fiompiana izay mbola tena zava-dehibe tokoa ho antsika Malagasy, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Naneho fa tsy tokony atao fombafomba fotsiny ny fambolen-kazo fa tokony ho raisina ho adidy amin’ny firenena mba hamerenana indray ity nosy misy antsika ity ho nosy maitso. Afaka manentana sy manohy ny fambolen-kazo ihany koa ianareo rehefa tafaverina any amin’ny faritra niavianareo tsirairay any, hoy ny toromarika nataony. Ara-politika, nilaza ny TIM fa antoko matanjaka ka tsy maintsy mijery ihany koa ny lafin’ny politika, indrindra ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy izao. Misy ambaratonga tsy maintsy hatrehana ka anisan’ny voalohany amin’izany ny fanentanana ny mpikambana sy ireo mpanara-dia sy mpanohana rehetra mba tsy maintsy hisoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana satria efa misokatra izany ary hikatona tsy ho ela, hoy ny toromarika nomena ireo mpikatrika. Milaza noho izany io antoko io, fa tsy avela hanjaka tokana eto ireo eo amin’ny fitondrana fa tsy maintsy atao izay hananana olom-boafidy marobe, indrindra eo amin’ireo fifidianana rehetra ho avy, izay fifidianana manakaiky vahoaka kokoa.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap