airtel

Politique

08-févr-2024

ARFM

Miantso grevy faobe…

Sample post image

Nahatsiaro manokana ny raharaha 7 febroary ny ARFM na ny

08-févr-2024

Antenimieran’ny Raiamandreny sy ny Foko eto Madagasikara ny andron’ny omaly, ka naneho fa tsy tokony havela ho very maina ny ra latsaka, fa mila tohizana sy faranana ny tolona nataon’ireo Raiamandreny tamin’ny taona 1947. Nanomboka ny andron’ny omaly io noho izany ny tolona hanavotana ny firenena hamerenana an’i Madagasikara amin’ny laoniny amin’izay, raha ny nambaran’izy ireo. Nilaza noho izany ny ARFM fa tena fananganana ny rafitra Malagasy no mila atao, fa apetraka ny rafitra ny rafitra tsy nampahomby antsika. Tsy maintsy hatomboka ny hetsika, ka hanentenana ny vondron-kery rehetra eto amin’ny firenena handray anjara sy handinika any amin’izay toerana rehetra misy azy any hoe : ataontsika ahoana amin’izay ny tanindrazantsika ? Nilaza mihitsy izy ireo fa ho mafimafy ny zavatra hatao satria tsy maintsy hamela fotsiny amin’izao ho votsotra eo am-pelantanan’ny Frantsay ny mpanjanantany. « Tokony ho efa hietritreritra amin’ny hoaviny amin’izay ny Malagasy fa tsy tokony hijanona amin’ny gidragidra tahaka izao ary mbola izao ihany ve no hotohizana ? Manaitra sy manentana ny rehetra, ary amin’ny sabotsy izao dia tokony ho efa maro ny olona hiakatra ety Antaninarenina, ary eto no hanombohana izay », hoy izy ireo, izay nilaza fa tolona anaty filaminana. Miantso ny herivelona rehetra sy ny sendika samihafa handinika ny hanamafisana ny tolona moa ny ARFM, mba hirosoana amin’ny grevy sy fampikatsoana faobe na « grève générale » saingy tsy maintsy holanjalanjaina ihany koa ny fiandrasan-draharaha ao anatin’izany, raha ny nambaran’izy ireo. Dia andrasana indray izany ny tohiny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap