airtel

Politique

09-avril-2024

BABA James, kandida ao Mahabo

"Efa nanampy ny vahoaka, hiady ho azy"

Sample post image

Tafapetraka ny Asabotsy teo ny fiantsahan-kofidian'i Baba James ho solombavambahoakan'ny distrikan'i Mahabo ao amin’ny faritra Menabe.

09-avril-2024

Izy no kandida voalohany tonga nametraka ny firotsahany ny faha 06 Aprily tao amin'ny distrikan'i Mahabo. Kandida tsy miankina amin’ny antoko izy amin'ity fifidianana hatao ny 29 May izao. Naneho fa vonona ny hitondra ny anjara birikiny ho fampandrosona an'izany distrika izany ny tenany. Nilaza fa hitondra ny tamberin'andraikitra ho valim-babena ho an'ny vahoaka. Zanak'i Mahabo i Baba James ary mahatsapa ho manana adidy ho fampandrosoana ny tany niaviany. Nambarany fa 13 taona no nandratoany fianarana tany ivelany ary fotoana nahitany izany fivoarana izany, rehefa tafaverina teto anefa izy dia nalahelo fa toa ratsy kokoa noho ny tamin’izany no novantaniny ka nadrisika azy handray andraikitra. Tanora marobe no efa nisitraka tolo-tanana teo amin'ny sehatry ny fambolena, fiompiana, teo ihany koa ireo asa sosialy marobe izay nokarakarain'i Baba James ho an'ireo kaominina ao anatin'izany distrikan'i Mahabo izany, hoy ny fanazavana. Noho izany, vonona ny hiady ary hitondra ny feon'ireo vahoaka eo anivon'ny mpanatanteraka ny tenany raha toa ka tonga soa aman-tsara eo anivon'ny antenimerampirenena. Vahoaka, tanora marobe no tonga nanontrona an'i Baba James nandritra ny fametrahany ny antotantaratasy teny amin’ny OVEC Mahabo. Nilaza ho tsy manana fahavalo na iza na iza ny tenany fa ny tombotsoa ho fampandrosona ny distrikan'i Mahabo no zava-dehibe.
Nangonin'i Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap