airtel

Politique

17-févr-2022

Politique

Ben'ny tanànan'Ampitatafika « Sarimihetsika mampidi-doza no ataon-dRaholdina »

Sample post image

Manoloana ny fiampangana an-gazety sy haino aman-ery nataon'ny Depiote Naivo Raholdina ny Ben'ny Tanànan'Ampitatafika ho niray tsikombakomba tamin'ny fikasana hamono azy,

17-févr-2022

niaraka tamin-dRamatoa Raissa Razaivola dia nivoaka tamin'ny fahanginany ity Ben'ny Tanàna ity ka nitondra valin-kafatra omaly. Tsy manam-pahavalo na iza na iza ny tenako hoy Rado Ramparaoelina Ben'ny Tanàna ary tsy liana na dia kely akory aza amin'ny fiainan-dRaholdina. Tsy misy lanjany aminay ety Ampitatafika izany depiote Raholdina izany hoy ny ben'ny tanàna satria sady tsy misy asa ifandraisanay aminy no tsy mpitantana ety ihany koa izy!Ny toerana misy anay ihany koa samy hafa hoy izy,Raholdina solombavambahoaka,izaho kosa ben'ny Tanana ary mba manana ny voninahitro ihany ety amin'ny kaominina iadidiako na dia heverin-dRaholdina fa kely sy bitika aza!Mahakasika ilay lazaina fa fikasana hamono ny depiote Raholdina dia nanambara Rado Ramparaoelina fa be dia be ny olona afaka mijoro ho vavolombelona mpandainga ka raha milaza ny depiote fa tena nisy izany dia tokony hofaritany mazava ny toerana nambarany fa nanaovana ilay fivoriana niaraka tamin-dRamatoa Raissa notononina fa hoe : niketrika izany, iza avy ireo olona voalaza fa nanatrika ny fivoriana ary tamin'ny fomba ahoana no hoe : saika hamonoana azy. Amin'Andriamatoa Rado Ramparaoelina Ben'ny Tanànan'Ampitatafika dia sarimihetsika mampidi-doza olona izao ataon’I Naivo Raholdina izao. Sady miteraka fanelingelenana fiainam-bahoaka mantsy ny fanapariahana izany no raisiny ho fanosihosena ny maha-ben'ny Tanàna azy ihany koa amin'ny fanasokajiana azy ho mpamono olona. Raha maromaro angamba ny solombavambahoaka manao toy izany dia ho simba tanteraka ity firenentsika ity hoy hatrany Rado Ramparaoelina. Nomarihiny fa resaka taratasy fanomezam-pahefana(procuration) nataon'olona avy any Fenoarivo momba resaka tany, izay nosoniavin'ny lefitra faharoan'ny ben'ny tananan'Ampitatafika tamin'izany no nambaran'ny depiote Raholdina fa taratasy fifampivarotana(Acte de vente)natao tao Ampitatafika ka nosoniavin'ny ben'ny Tanàna ka teo no niandohan'ny disadisa.Raha manana porofo marina mifandraika amin'izany ny depiote Raholdina dia tokony hasehony amin'ny écran géant mihintsy na avoaka amin'ny haino aman-jery rehetra fa tsy matahotra aho hoy ingahy ben'ny Tanàna!Notsipihiny farany fa tsy dia lavitra Ampitatafika ary tsy dia ratsy ny lalana mankeny,tsy sarotra tadiavina ihany koa ny ben'ny tanàna fa misokatra lalandava ny birao ka raha misy tokony hifampiresahana mialoha ny hitenitenenana foana dia aleo mifanatona mifanazava fa ny fihavanana sy fahendrena no zava-dehibe hoy Rado Ramparaoelina.
Pati
Legende : Rado Ramparaoelina, Ben’ny tanànan’Ampitatafika mandala hatrany ny fihavanana amin’ny olon-drehetra manodidina azy
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap