Tsikaritr'ireo mpanara-baovao, indrindra, avy ao an-toerana fa saika ireo ben'ny tanàna tsy miloko volomboasary, izany hoe tsy nirotsaka tamin'ny anaran'ny IRK, ireto taraiky fisalorana ireto. Isan'izany ny ben'ny tanànan'i Betafo lany tamin'ny anaran'ny antoko politika Tia tanindrazana, Livasoa Randriatahianamalala. Ity farany, hoy ireo mpanara-baovao, dia isan’ny niharan’ny antsojay tao anatin’izay 4 taona izay. Ao anatin’ny fandraisana ny andron’ny tanora moa amin’izao fotoana izao I Antsirabe, izay renivohitry ny faritra, ka heverin’ny mpanara-baovao hatrany fa noho izay antony izay indrindra no nanaovana lanonana kimaimaika hampisalorana samboady ireto ben’ny tanàna tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana ireto mba ho haingon-tanana na dia efa hamarana taom-piasana aza.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanànan’I Betafo, Livasoa Randriatahianamalala
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.