airtel

Politique

16-janv-2024

Ben’ny tanàna tsy nahay nanala fako indrindra

Lasa lehiben’ny ben’ny tanàna rehetra

Sample post image

Ainga sy fototry ny fampandrosoana ny firenena ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany,

16-janv-2024

hoy ny ventin-tenin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo, Naina Andriantsitohaina, omaly. Isaorako indrindra, hoy izy, andriamatoa filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, amin’ny fahatokisana napetrany tamiko indray hitantana sy hanatanteraka ny vinan’asany mahakasika izany. Fantatro loatra ny lanjan’izany andraikitra izany amin’ny naha mpitantana ny tanànan’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, ahy. Isaorako ihany koa ireo mpiara-miasa amiko rehetra tao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Nanao ny ezaka rehetra isika nandritra izay fotoana izay nentina nanatsara ny tanàna ho an’ny mponina ao aminy. Mbola be no ho vita. Ary eo anilan’Antananarivo foana ny tenako sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana rehetra manerana ny nosy, hoy hatrany ny teny fisaorana nataon’ity ben’ny tanàna teo aloha voatendry ho minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ity. Lasa saina ihany moa ny mpanara-baovao maro nametra-panontaniana hoe inona amin’io fakobe eraky ny tanànan’Antananarivo io izany izao na amin’io mpivarotra amoron-dalana tsy voafehy intsony fa lasa miha mpivarotra an’arabe io mihitsy no tsapan’ity ben’ny tanànan’ny renivohitra ity tao anatin’izay 4 taona nitantanany ny “tanànantsika” izay? Nitsinjara fanariam-pako aza tsy hainy tao anatin’izay 4 taona izay ka mainka ve fa fitsinjaram-pahefana? Nanajary an’Antananarivo aza tsy tontosany araka ny nampanantenainy ka fomba ahoana moa izany no hahaizany hanajary an’i Madagasikara manontolo? Isan’ny neverina fa singa goavana nampandroso ny fitsinjaram-pahefana hatramin’izany ny fampandrosoana kaominina amin’ny alalan’ny fanohanan’ny minisitera voakasik’izany ireo ben’ny tanàna. Ankehitriny moa izany dia ny ben’ny tanàna isan’ny tsy nahay nanala fako indrindra teto Madagasikara no io lasa “patron” na lehiben’ny ben’ny tanàna rehetra eto amin’ny firenena io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap
14-mai-2024

Matoa isika mangataka ny manoloana azy, dia noho ny fitsabatsabahany

Card image cap
14-mai-2024

Manana ny fenitra arahina ny diplaomasia iraisam-pirenena, misy fifanarahana soniavina sy arahina

Card image cap
14-mai-2024

Vanim-potoana nalaza tamin’ny tantaram-pirenena izany 13 may 1972 izany,

Card image cap
14-mai-2024

Nentina am-bavaka sy notsofina rano teny amin’ny EKAR Anosisoa Ambohimanarina ny alahady teo mba hahaleo

Card image cap