airtel

Politique

07-oct-2022

Politique

Berija Ravelomanantsoa Tokony efa navoaka ny fonja omaly

Sample post image

Ny 6 jona 2020 no nogadrain’ity fitondrana ity 44 volana i Berija Ravelomanantsoa, hoy ny reniny, Razafindrazafy Elia. Kajikajy politika manampitra ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

07-oct-2022

mihitsy ilay izy, hoy izy. 6 oktobra 2022 isika izao. Ontsa ny foko mitsangana eto izao. Tokony efa navoaka anio (TTF: omaly) i Berija raha tsy nisy fanaparam-pahefana nataon’ity fitondrana ity noho ny tsy fanomezany azy ny zon’ny voafonja. Misy ilay hoe “remise de peine” na fanalefahan-tsazy iny isan-taona. in-droa miantaona izao. Ny zanako tsy nitaona olona hidina an-dalambe na namono olona na nangalatra harem-pirenena fa naneho hevitra tamin’ny Facebook mikasika ny raharaham-pirenena. Nolavin’ity fitondrana ity hatramin’ny fangatahanay hamindra an’i Berija ao Maputo noho ny tsy fahasalamany miverimberina. Nangataka ny hanaovany asa anatiny na ivelan’ny fonja koa izahay satria zon’ny voafonja izany fa nolavina. Misy voafonja sasany namono olona, nangalatra, teratany vahiny nefa misitraka izany. Andriamatoa filoha sy ramatoa Mialy vadiny, efa tsy voatanisako eto intsony hoe im-piry aho no nitalaho taminareo? Nilela-paladia! Nandohalika mihitsy aza mba hamindranareo fo amin-janako. Ahoana moa andriamatoa filoha no hampilamina ny sainao nandritr’izay 2 taona sy 4 volana nanagadranareo ny zanako izay? Nanapotehanareo ny fiainan’I Berija sy ny zanany manontolo nanoloana ny soa sy ny fanaovan-janako sorona ny ainy niaro anao andriamatoa filoha ny taona 2015? Marary amiko izao zavatra ataonareo an-janako izao. Tena hitondra soa ho an’ny tanindrazana ve ny famonoana namana malagasy any am-pigadrana nefa tokony hiara-kisalahy hampandroso ity Madagasikara ity? 44 volana be izao izy no nigadra any. Simba tanteraka ny hoaviny sy ny an’ny zanany izay tokony hiantehatra aminy. Matetika tsy salama izy satria tamin’ny fotoana nisamborana azy dia nivonto be ny tarehiny. Nandeha ra ny sofiny. Nangataka fahafahana vonjimaika ho azy tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izahay. Nangataka fitsipahana didy mba hahafahana mitsabo azy fa nolavina daholo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap