airtel

Politique

14-août-2026

Bien Aimé Randrianantenaina

«Mampihatra diplaomasia

Sample post image

misokatra ny mpitondra»

14-août-2026

Tsy niala tamin’ny tandrefana ny diplaomasian’ny fitondràna ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaha iraisampirenena, Bien Aimé Randrianantenaina, fa nampiditra firenena hafa ihany koa. Mbola ny vondrona eoropeanina aloha, hoy izy, no mpiara-miombon’antoka ara-barotra voalohany amintsika. 33%n’ny fifanakalozana ara-barotra eto, raha tsy diso aho, dia mbola iarahana amin’izy ireo. Nanendry masoivohony eto koa nefa i Japon. An-dalana hanendry ny azy koa ny amerikanina. Rehefa hanendry masoivoho tsinona ny filoham-pireneny dia mbola maka fankatoavana any amin’ny antenimierandoholona aloha. Efa tany amin’ny frantsay koa ny filoham-panjakàna ankehitriny. Mbola eo daholo ihany izany ny fifandraisantsika rehetra teo aloha. Azo lazaina hoe nanamafy kokoa ny fifandraisana amin’ny tantsinanana angamba isika. Tany Rosia, ohatra, ny filoham-panjakàna mba hifandraisantsika bebe kokoa amin’i Rosia. Nanampy be dia be ireo nanarina ny voina tany Toamasina. Toy izany koa ny fanampiana amin’ny lafiny fitaovam-piadiana sy maro samihafa. Efa niteny ny mpitondra fa hisokatra na «tout azimut» ny diplaomasiany. Mampihatra diplaomasia misokatra ny mpitondra. Efa mandray an’i Madagasikara izao tontolo izao. Efa mandray ny mpitondra malagasy ankehitriny koa. Ireny firenena manendry masoivoho ireny dia mangataka alalana na «agréement» amin’ilay firenena hoe ity no olona ho alefanay any aminareo. Mankato ilay firenena vao tendrena ilay masoivoho. Matoa misy masoivoho malagasy any Afrika atsimo, Alemanina, Firenena mikambana dia mandray ny fifandraisana ara-diplaomatika amintsika izany ilay olona no dikan’izay. Ho antsika malagasy, raha ny lalàmpanorenana no jerena, dia ny filoham-panjakàna no lehiben’ny diplaomasia satria izy no manendry sy manala ireo masoivoho. Ho an’ny aty Afrika kosa dia manana ny fanaony ny Vondrona afrikanina. Ny andininy faha 30 amin’ny satan’ny Vondrona Afrikanina dia mametraka ny fomba fiovàn’ny mpitondra ekena eto Afrika. Milatsaka ny sazy rehefa tsy manaraka an’izay. Mbola tafiditra anatin’izay isika saingy efa misy fivoarana lehibe. Raha nanendry ny masoivohony any amin’ny Vondrona afrikanina, Paraina Auguste, izao i Madagasikara dia ny filohan’ny kaomisionin’ny Vondrona afrikanina mihitsy no nandray ilay taratasy fanendrena azy. Mankato ny mpanendry izy izany matoa nandray ny taratasy ofisialy. Na izany aza, manoloana ny fitsipika mifehy ilay vondrona, dia mbola misy lafin-javatra tsy maha tafiditra an’i Madagasikara. Namangy firenena afrikanina maromaro tato ho ato ny filoham-panjakàna malagasy. Isany, ohatra, i Gabon, Egypta, Tchad. Mitovitovy amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny zava-misy any amin’ireo firenena ireo. Ny fomba nahatongavan’ireo filoham-panjakàna ireo teo amin’ny fitondràny dia mitovitovy amin’ny antsika. Manam-boninahitra miaramila koa ny ankamaroan’ireo. Ny miaramila mifanaja, miray hina, mifandray tsara. Mifanakalo hevitra ireo firenena ireo inona no nataony nahafahana niverina tamin’ny Vondrona afrikanina dia inona no azony ho entina ho an’i Madagasikara sy ny fiaraha-miasa azo atao aminy sy hifanakaikezana aminy kokoa? Raha misy fiantraikany aty, ohatra, ny fikatonan’ny elodranon’i Ormuz na «Detroit d’Ormuz», noho ny ady any Moyen Orient, dia mety azo ifanarahana amin’ny lafiny famatsiana solika ireny firenena afrikanina ireny. Isany, ohatra, i Nizeria, hoy hatrany ity mpandinika fifandraisana iraisampirenena ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ny asany ny depiote

Card image cap
13-août-2026

faritra matoa…»

Card image cap
13-août-2026

politika eto amin’ny firenena.

Card image cap