airtel

Politique

14-août-2026

PETY RAKOTONIAINA

Izao vao tena afaka manao

Sample post image

ny asany ny depiote

14-août-2026

Amin'izao fitondrana Fanavaozana izao vao tena afaka manao ny asany ara-dalana ny solombavambahoaka hoy i Pety Rakotoniaina, depiote voafidy tany amin'ny distrikan'Ikalamavony. Fangejana sy sakantsakana hatrany mantsy no niainan'izy ireo nandritra ny fitondrana teo aloha. Rehefa te-hiantso Ministra izahay tamin'izany hoy izy dia tsy misy tonga ireny raha tsy mahazo alalana avy amin'ny Filoha sy ny Praiministra. Tsy azonay hatao koa hoy izy ny manitsy lalana na manao lalana mifanaraka amin'ny filan'ny vahoaka tahaka ny misy amin'izao. Izany indrindra hoy izy no antony nanangananay ilay Vovonana manohana ny Fitondrana Fanavaozana hivondronanay solombavambahoaka tsy miankina. Tafakatra 87 mianadahy izy ireo ankehitriny no ao anatin'io Vovonana io niampy ireo 30 mianadahy avy amin'ny antoko IRMAR niova hevitra. Notsiahiviny moa fa mandroso ny firenena rehefa afaka manara-maso ny asan'ny governemanta ny depiote. Mandroso ny firenena hoy izy rehefa afaka manao lalana sy manitsy ny lalana izahay toy ny famerenana amin'ny Malagasy ny taniny. Toraka izany koa ny fanaovana teti-bolam-panjakana izay nomarihiny manokana fa azo hanaovana ady hevitra tsara ankehitriny raha tery vay manta fotsiny izany tamin'ny Fitondrana teo aloha. Vonona araka izany ny vovonana misy azy 87 mianadahy ireto hanohana ny Fitondrana Fanavaozana hahafahana miroso amin'ny tena fampandrosoana marina.
Pati


Légende : Pety Rakotoniaina, solombavambahoaka voafidy tany Ikalamavony
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

misokatra ny mpitondra»

Card image cap
13-août-2026

faritra matoa…»

Card image cap
13-août-2026

politika eto amin’ny firenena.

Card image cap