airtel

Politique

31-janv-2024

Cellule de crise Diovy i Madagasikara

« Fanjakana voan’ny "hypercéphalie " io »

Sample post image

Nipoitra indray ny Cellule de crise Diovy i Madagasikara tarihin-dry Guy Maxime Ralaiseheno

31-janv-2024

sy ny namany omaly, nilaza ny fahitany ny raharaham-pirenena sy hetsika hataony. Momba ny governemanta, « tsy manaja ny fenitra eran-tany ny firafitry ny governemanta izay mbola tovanana Sekreteram-panjakana, ka lasa «bicéphale », ka ny sekreteram-panjakana izany dia tokony rafitra eo ambany minisitera, hoy Atoa Todiarivo Pierre isan’ireo lohan’ny mpisorona sady mpitarika ny MONIMA. Nahitsy izy naneho fa misy fenitra ny fananganana governemanta sy sekreteram-panjakana izany, ka tsy hahazo sitraka sy tsy hahita rirany io Fanjakana io. Nambarany fa eo amin’ny fanatanterahana ny fampandrosoana isam-paritra, dia 3% amin’ny tetibolam-panjakana ihany no tonga any ifotony. Ny vola hatokana hampandrosoana dia atelin’ny Fanjakana foibe, ka tsy fantany akory atao hoe : « décentralisation » izay mifandraika amin’ny « fonction publique territoriale », hoy ity farany. Miainga amin’ny Fanjakana foibe avokoa ny vola na amin’ny alalan’ny «subvention » na amin’ny alalan’ny « transfert », ka fanjakana voan’ny « hypercéphalie » ka ngezabe ny lohany, fa kely ny aty ambany, hoy hatrany Atoa Todiarivo. Milaza tsy handray anjara amin’ny fifidianana moa izy ireo satria aminy, dia fanomezana hasina ny « transition unilatérale » na tetezamita mandeha ila misy amin’izao ny fifidianana izany, raha ny nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno. Nilaza hiroso amin’ny dinika nasionaly hatomboka any amin’ny faritra izy ireo. Naneho fa efa naman’ny tsy misy intsony ny Repoblika faha-4 fa an-taratasy sisa satria niainga tamin’ny fifidianana tsy tao anatin’ny safidin’ny besinimaro, fa fifidianana tao anatin’ny hosoka sy famadihan-tanindrazana. Nanamafy mantsy i Guy Maxime Ralaiseheno, fa famadihan-tanindrazana ny nataon’i Andry Rajoelina izay efa very ny zo maha-Malagasy azy, kanefa nanao amboletra nirotsoka hofidiana ho Filohan’ny Malagasy. Mbola mitoetra ny ferin’ny fanjanahan-tany, ka mila averina amin’ny Malagasy ny taniny, hoy ireto Cellule de crise Diovy i Madagasikara ireto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap