amin'izao fotoana, fa indrindra ilay raharaha mahakasika ilay tovovavy vao 6 taona monja voaholana tany Imerintsiatosika, dia manameloka ny fanimbana zaza tahak'izany aho, hoy ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. Fanetriben'ny firenena ny olona manana toe-tsaina tahaka izany, hoy izy. Mirary fahasitranana aingana ho an'ilay tovovavy kely. Mitondra am-bavaka azy sy ny ray aman-dreniny hanana herin-tsaina hiatrehana an'izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija