vokatry ny fahatezerana ateraky ny fahatapan-jiro sy rano mandavan-taona. Ny tetsy Ambohibao indray no nihetsika omaly takariva, ka raikitra ny fandorana kodiarana sy ny horakoraka teny an’arabe. « Mila rano izahay ! Mila rano o ! », hoy ny horakoraky ny vahoaka. Efa nihantrana nialoha teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, ka raikitra ny fandravana sy ny daroka baomba mandatsara-dranomaso. Vokany, olona iray izay no voasambotra. Nisy lehilahy iray ihany koa naratra mafy voa teo amin’ny masony. Nilaza fa tsy isan’ireo nitokona fa nandalo, saingy naratra be nipoahan’ny lakrimozenina ny masony, nijininika ny ra, tsy nahita intsony ny maso ilany,… Mijaly ny vahoaka, famonoana anay izao, fa mininona ny vahoaka no tsy havela hiteny, fa izahay tsy maintsy miteny rehefa tsy mety ny ataonareo,… hoy ireo olona. Mihamafy izany aloha ny hetsika fandravana sy fifehezana ny fitokonana fanehoan’ny vahoaka ny hatezerany, fa ny vahaolana kosa mbola lavitry ny kitay ny afo. Any amin’ny famoretana sy fampanginana vahoaka amin’ny alalan’ny herisetra no himasoana kokoa noho ny famahana olana ! Asa mandra-pahoviana no hahomby io ? Tsy tsapan’ny fitondrana ve fa na eo aza ny fihezahana hifehy ny toe-draharaha amin’ny fampiasan-kery dia tsy mampihemotra ny olona satria nialoha an’izao dia efa nisy ny fisamborana olona 10 teny Ambohipo ka nampidirana am-ponja ny 4 tena dia mbola maro ireo tanàna niroso tamin’ny fihetsiketsehana ? Ho tahaka izao foana ve no hiainana ao anatin’ny 5 taona ? Moa tena tsy azo vahana ve ny olana sa efa tena latsaka tanteraka ao anaty ziogan’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahafehezana ny laharam-pahamehana ny mpitondra, ka lasa fifehezana sy fitantanana krizy sisa no programan’asam-panjakana eto ? Aiza ireo solombavambahoaka sy mpanao lalàna sa mbola variana miady ny tombotsoa mihoampampana ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,