hoy ny mpanao politika, Ratolojanahary Maharavo na Doudou, dia samy mba mitady vahaolana daholo na ny mpitondra fanjakàna na ny mpanohitra. Samy te hitondra vahaolana, hoy izy, hamahana izao olana mianjady amin’ny firenena malagasy izao. Ny anay dia tenin’Andriamanitra sy asan’Andriamanitra no vahaolana entinay. Ry vahoaka malagasy, raisiko ho adidy sy voninahitra lehibe ny mitondra eto aminareo ireto karazana tenin’Andriamanitra vitsivitsy izay efa nomanin’Andriamanitra hatramin’ny ela ho entina hampandresena ny mpanompony, ny vahoakany manoloana ny asa ratsin’i Satana rehetra. Tonga ny fotoana. Fantatrareo tsara ry vahoaka malagasy fa mpanao politika aho. Mba efa nitady vahaolana maro hamahana ny olana misy eto amin’ny firenena. Ankehitriny, tonga eto aho, mbola amin’ny maha mpanao politika ary amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra ahy no ijoroako eto aminareo fa vahaolana avy amin’Andriamanitra ihany no tsy maintsy hivoahantsika amin’izao fahasahiranana izao. Izany Jehovah Andriamanitra izany dia aoka tsy ho adino fa fanahy fa tsy olombelona! Rehefa te hifampiraharaha sy hifampiresaka aminy isika dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny fanahy masina. Olana ara-panahy no misy eto amin’ny firenentsika. Ady ara-panahy amin’ny fanahy roa mifanandrina dia ny fanahy masin’Andriamanitra, fanahin’ny fahamarinana miady amin’ny fanahin’i Losifera. Te hisolo ny toeran’i Jehovah ao am-pon’ny malagasy i Losifera. Raha nanorina izao tontolo izao Andriamanitra dia politikan’ny lanitra no nentiny nanatanteraka izao tontolo izao. Rehefa nitsahatra izy dia natolony ny olombelona ny fahefàna hitandrina, hanatsara ireo asa nataony ireo. Tonga avy eo i Losifera sy ny politikan’ny tany namitaka an’i Adama sy Eva, hany ka lasa fifandrafiana teo amin’Andriamanitra izany. Nanomboka teo dia nitohy hatrany ny ady nisy teo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Losifera. Ady am-panahy io satria tsy hita maso fa eny amin’ny rivotra eny. Raha nisafidy ny zanak’Israely i Jehovah hanompo azy, hampahafantatra manerantany, hankalaza ny voninahiny dia tsy nahafaly an’i Losifera izany ka nampidiriny tao am-pon’ny zanak’Israely ny fialonana ka nahatonga an’i Josefa, izay zanak’Israely namidy ho andevo tamin’ny egiptianina. Na izany aza dia navadik’i Jehovah ho fitahiana izany ka lasa mpanapaka an’i Egipta i Josefa ary nanavotra ny zanak’Israely. Tsy nijanona hatreo i Losifera fa nampiadiany tamin’ny egiptianina tompon-tany ny zanak’Israely, hany ka lasa andevo nandritry ny 430 taona ka rehefa nitaraina mafy tamin’Andriamanitra dia tonga i Mosesy. Niezaka hatrany nanandratra ny mpanompony dia ny zanak’Israely i Jehovah raha toa ka niezaka hatrany nampanota sy niampanga azy teo anatrehan’i Jehovah i Losifera, hoy hatrany i Doudou. Raha mijery ny asa nataon’i Jesosy tonga teto an-tany isika avy eo taty aoriana dia nifototra tamin’ny fampihavanana ny olombelona tamin’i Jehovah mpahary, hoy izy. Hatramin’ny ela, nanaovana maritiora ireny Kristianina ireny, no efa nampahorian’i Losifera ity Madagasikara ity. Ny fiadian’ny lanitra amin’ny alalan’ny fiverenantsika amin’i Jesoa Kritsy ihany no hahafahana mandresy an’i Losifera. Voasoratra ao amin’ny Mpanjaka 2 : 4 izany. Misy vahaolana maromaro ireto dia ireo voasoratra anaty Baiboly ihany, hoy hatrany izy, ao amin’ny Jeremia 3 :11b, Jeremia 14 : 15, Jeremia 3 : 22, Zakaria 4 : 6.
J. Mirija
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,
Manoloana ny Forum Économique “Madagasikara–Dubaï” izay notanterahina ny 27 sy 28 mey 2025,
Aza mamaly herisetra amin’ny herisetra, aza mamaly fankahalana ny fankahalana,
Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.