Ny fitafy sy fihetsika dia isan’ny maneho fa malagasy ny olona iray, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Manahirana, hoy izy, nefa ny mahita amin’izao fotoana izao fa vary amin’anana no teny fampiasan’ny malagasy maro. Ilaina hampianarina ny taranaka ny tena teniny ary ampahatsiahivina azy ny tena tantarany. Ireo firenena mandroso dia nampianatra hatrany ny tantarany ny taranany. Betsaka teto no nivoady ny hiaro ity tanindrazana ity nefa ny ankamaroany dia tena hitantsika fa namotika ilay tanindrazana sy ny kolontsaina malagasy. Mbola misy ny mpamadika tanindrazana matoa tafiditra eto izany mafia izany. Izao isika lasa manao dika mitovy amin’ny fanaon’ny olona any ivelany. Manana ny atao hoe soatoavina nefa isika. Mila averina ny hoe firaisankina sy fihavanana. Tsy mahaleotena i Madagasikara hatreto. Mbola mibaiko sy hiankinan-doha ny any ivelany. Raha tena vonona ny hiaraka hampandroso ity firenena ity isika dia tena afaka miray hina fa ny matetika nisy hatreto dia ny mpivarotra tanindrazana. Mpivarotra tanindrazana foana fa tsy tia tanindrazana no nanjaka teto. Mahavelona antsika ny harenantsika raha tena vonona isika. Ireo mampatahotra ny hampiato famatsiana antsika ireo no tokony hatahotra ny tsy ho vatsiantsika intsony, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija