airtel

Politique

19-nov-2026

Mivelatra ny

diplaomasia sy

Sample post image

fiaraha-miasa ara-toekarena

19-nov-2026

Nanolotra ny fanendrena azy ny Ambasadaoro Ejiptianina sy Sinoa

Manao tohivakana ny fahatongavan’ireo diplaomaty solontenan’ireo Firenena vahiny manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Omaly, nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy fanendrena azy ireo tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely RANDRIANIRINA Michael, ny ambasadaoro miisa roa, vao notendrena hiasa eto Madagasikara dia ny avy amin’ny Repoblika Arabo Ejipsianina sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina. Fotoana iray nanamafisana indray ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fiaraha-miasa efa nisy hatry ny ela teo amin’i Madagasikara sy ireo firenena roa tonta izany. Nandritra ny fihaonana nandraisana ny Masoivohon’i Ejipta vaovao, Ramatoa Sylvia Fouad Georgy Mikhail teny Iavoloha, nohamafisina ny finiavan’ny roa tonta hampandroso ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra manan-danja toy fampandrosoana ny fambolena, fitantanana sy fampiasana ny rano, fanabeazana sy fanofanana ara-teknika, toe-karena sy fampiasam-bola, sehatra ara-tsosialy sy ara-politika. Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny taona 1970 ny fifandraisana diplomatika teo amin’i Madagasikara sy Ejipta, ary efa nahitana fiaraha-miasa maro nandritra ny am-polony taona maro. Anisan’ny zava-dehibe koa ny fanohizana ny fampiharana ireo fifanarahana dimy nosoniavin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michael sy ny Filoha Ejipsianina Abdel Fattah al-Sissi nandritra ny fihaonany tany Kairo tamin’ny volana Jolay lasa teo. Omaly ihany koa dia nanolotra ny taratasy fanendrena azy ny Masoivohon’i Sina vaovao, Liu Wei. Nivoitra fa hitohy sy hivelatra hatrany ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Madagasikara sy Sina, indrindra amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary ny fanarenana taorian’ny loza voajanahary. Noderain’ny Filohan’ny Fanavaozana ny anjara toeran’i Sina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara, ary nankasitraka ny fanohanana tsy tapaka omen’ity firenena aziatika ity. Naneho ny fahavononany hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara kosa ireo masoivoho vaovao, izay samy nilaza fa laharam-pahamehana ny fanatanterahana ireo tetikasa iarahan’ny roa tonta sy ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-toekarena, ara-kolontsaina ary ara-teknika. Araka izany, manokatra pejy vaovao eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara ny fahatongavan’ireto masoivoho vaovao ireto, izay irariana hitondra tombontsoa maro ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Ara-diplaomasia, tsapa sy tsikaritra ny fahalinan’ireo Firenena maro sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’i Madagasikara, izay midika fa mahomby ny diplaomasia sy ny ezaka apetraky ny fitondrana amin’ireo fanehoana fivelarana samihafa. Ankoatra ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny politika, tsapa sy tsikaritra aza ny adidisisika ara-jeopolitika, izay midika fa zava-dehibe sy stratejika amin’ny vahiny i Madagasikara. Zava-dehibe ny fahaizantsika mitrandraka sy mampiasa izany ho an’ny tombotsoa ambonin’ny Firenena.
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-nov-2026

Manohana dingan’ny fanavaozana,

Card image cap
18-nov-2026

Manolotra ny

Card image cap
18-nov-2026

caution », hoy Kohen Rivolala

Card image cap
18-nov-2026

Manolotra fanjakana

Card image cap