manohana ny fifidianana…
Nifarana omaly 17 novambra 2026 ny iraka manokana notanterahin’ny SADC teto Madagasikara nandritra ny folo andro, nentina namintina sy nandrefesana ny fandrosoan’ny dingan’ny Fanavaozana sy ny fanomanana ireo zotram-pifidianana ho avy. Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika na ny PRRM, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël teny Iavoloha ny delegasiona notarihin-dRamatoa Joyce BANDA, izay nitondra tatitra feno momba ireo fihaonana sy fifanakalozan-kevitra natao tamin’ireo hery velona samihafa nandritra ny diany teto an-toerana. Nambaran-dRamatoa Joyce BANDA nandritra izany fa hita taratra ny fandrosoan’ireo dingana napetraka ao anatin’ny tetiandro natolotry ny Fitondrana ho an’ny Fanavaozana. Nankasitrahany manokana ny dinika fakan-kevitra marolafy efa notanterahina sy ny ezaka hampidirana anjara ireo sokajin’olona rehetra ao anatin’ny fizotry ny fanomanana ny hoavin’ny firenena. "Hitanay fa miha mandroso araka ny tetiandro natolotrareo anay tamin'ny volana febroary 2026 ny dingana sy ny fandaharanasa ho an'ny Fanavaozana. Ny fanapahan-kevitra hiroso amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana amin'ny 2027 dia efa dingana lehibe mankany amin'ny fikarakarana ny fifidianana izany", hoy Rtoa Joyce Banda. Nandritra ny folo andro nijanonany teto Madagasikara, nihaona tamin’ireo andrim-panjakana sy mpisehatra maro mifandray amin’ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ny delegasionan’ny SADC. Anisan’ireo nifanaovana ny FFKM, ny CENI, ireo antoko sy vondron’antoko politika, ireo filoha teo aloha, ireo fikambanana samihafa, ny tanora, ny mpino silamo ary ireo hery velona maro hafa. Nifantoka indrindra tamin’ny fomba hahazoana antoka ny fampandraisana anjara ny rehetra, ny fanamafisana ny mangarahara ary ny fiomanana amin’ireo dingana lehibe ho avy ny adihevitra natao.
HAMAFISINA NY FAHAFAHAN’NY OLOM-PIRENENA MIFIDY…
Nanasongadina ihany koa Ramatoa Joyce BANDA ny maha zava-dehibe ny fanavaozana sy ny fanamarinana ny lisi-pifidianana manerana ny Nosy mba hahazoana antoka fa voasoratra sy afaka mandray anjara amin’ny fifidianana ny olom-pirenena rehetra. "Tokony hisy ny ezaka manokana hahafahan’ny olom-pirenena manerana ny Nosy mijery sy manamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana. Ilaina izany mba hanamafisana sy hitandroana ny mangarahara", hoy izy. "Vonona ny SADC hiara-hisalahy amin'i Madagasikara amin'izao dingan'ny Fanavaozana izao ary mino izahay fa vonona handohana izany koa ny Vondrona Afrikanina rehefa hitany fa mizotra mankany amin'ny fanajana ny tetiandro ny fandaharanasan'ny dingan'ny Fanavaozana", hoy hatrany izy. Etsy ankilany, nisaotra ny delegasionan’ny SADC ny PRRM Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, noho ny fanohanana sy ny fanarahana akaiky ny ezaka fanavaozana tanterahina eto Madagasikara. Nambarany fa na dia maro aza ireo dingana efa vita, dia mbola goavana ny fanamby miandry ary ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka isam-paritra. "Maro tokoa ny ezaka vitanay, ary tsy afenina fa mbola goavana ny fanamby miandry saingy mino sy matoky izahay fa hanampy anay betsaka ny tantsoroka sy ny traikefa lehiben'ny SADC amin'ny fanomanana ny fifidianana", hoy ny Filoha. Ho famaranana ny iraka dia natolotry ny delegasiona tamin’ny fomba ofisialy ny tatitra feno momba ny asa vitany nandritra ny diany teto Madagasikara. Nampahafantarina tamin’izany ihany koa ny fisokafan’ny biraon’ny fifandraisan’ny SADC, izay antenaina hanamafy sy hanafaingana bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny fikambanana any amin’ny faritra atsimon’i Afrika amin’ny sehatra maro samihafa, indrindra ireo mifandraika amin’ny fanavaozana sy ny fanomanana ny fifidianana. Midika fa miova ny sary ara-politika sy jeopolitika mikasika an’i Madagasikara, samihafa tanteraka amin’ny sarin’ny 2009...
Toky R