tokana mifototra amin’ny faritra mizaka tena
Toy ny antoko politika rehetra dia manana volavolan-dalam-panorenana hatolotra mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny Antoko Alfa tarihin’ny Filohany Mamy Rakotoniaina. Fanjakana tokana mifototra amin’ny faritra mizaka tena no hatolony ho famerenan-kasina ny eny ifotony sy hanafoanana tanteraka ny zara vilana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Lohalaharana amin’izany ny fokonolona eny anivon’ny Fokontany hahafahan’izy ireo mandray andraikitra sy fanapahan-kevitra amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy. Toraka izany koa ny fanomezan-danja ny regenerationnisme. Maika araka izany ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ity antoko politika iray ity hatrany hahafahana mandamina ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Na izany aza dia nomarihiny fa mbola misy hiainantsika mandrak’androany ireo rafitra tsy nahomby napetraky ny Fitondrana teo aloha noho izany tokony tapahina tanteraka ny rojom-pifandraisan’ny Repoblika faha-efatra sy ny Repoblika fahadimy hahafahana tena mandroso.
Pati
Legende : Mamy Rakotoniaina, Filohan’ny antoko politika Alfa !